Dans la mme rubrique

Depiote Brunelle Tsy mifankahazo amin’ny mpitondra intsony ?

30/10/2020

Niteraka resa-be ny tsy fahazoan` ny depiote voafidy tao Ikongo, Brunelle Razafitsiandraofa, izay lany tamin` ny alalan` vondrona IRD, miteny sy miseho amin` ny haino aman-jerim-panjakana (RNM/TVM).

Depiote Brunelle Tsy mifankahazo amin’ny mpitondra intsony ?

Hamaky ny tohiny...

Hetsika atao any Fianarantsoa Tsy noraisin’ny prefe ny delegasionin’ny TIM

30/10/2020

Tsy noraisin’ny prefen’i Fianarantsoa omaly ireo delegasionina hampahafantatra ny tatitra ataon’ny depiote mpanohitra ny fitondrana ao amin’ny Magro Fianarantsoa rahampitso sabotsy.

Hetsika atao any Fianarantsoa Tsy noraisin’ny prefe ny delegasionin’ny TIM

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Hamerina ny fitokisan` ny olom-pirenena aminy

30/10/2020

Nanatanteraka atrikasa fampiofanana ireo filoham-baomiera maharitra sy filohan’ny vondrona parlemantera eo anivon` ny Antenimieram-pirenena mandritry ny hateloana tany Antsirabe niarahana tamin` ny Fondation Friedrich Ebert Stiftung (FES) .

Antenimieram-pirenena Hamerina ny fitokisan` ny olom-pirenena aminy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana loholona Mandeha sahady ny fampielezan-kevitra

30/10/2020

Raha mbola amin` ny 18 novambra izao no voafaritra ny daty hanombohana ny fampielezan-kevitra ho amin` ny fifidianana izay ho loholona amin`ny 11 desambra izao saingy efa misy sahady no tsy mahandry tantana.

Fifidianana loholona Mandeha sahady ny fampielezan-kevitra

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra izao”

30/10/2020

Izao no fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra sy miseho, hoy ny antoko politika Natiora, tarihin’ny filohany Mihari-Ni-Rencho.

Antoko Natiora “Fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra izao”

Hamaky ny tohiny...

Tsy ampy fahalalana ny Malagasy Vao mainka koa manabado ny mpitondra

30/10/2020

Mihevitra ny Malagasy ho bado ny mpitondra eto amintsika. Porofon’izany, ohatra, ny filazan’izy ireo zavatra izay iaraha-mahalala izao fa tsy mitombina. Manamora ny fanambakana ataon’ny mpitondra ihany koa ny fari-pahalalan’ny Malagasy.

Tsy ampy fahalalana ny Malagasy Vao mainka koa manabado ny mpitondra

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Hanao tamberin`andraikitra misimisy kokoa

30/10/2020

Nihaona tamin’ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena izay notarihin’ny Filohany Razanamahasoa Christine ny Fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo rafitra maro samihafa, omaly.

Solombavambahoaka Hanao tamberin`andraikitra misimisy kokoa

Hamaky ny tohiny...


Politique

Alain Ratsimbazafy “Maro ny raharaham-pirenena tsy fantatry ny vahoaka”

16/10/2020

Hita izao fa manao letrezana ny fitondrana hanatanterahana ny fifidianana loholona amin’ny desambra, hoy ny depiote Alain Ratsimbazafy.

 

 

 

 Mazava ny an’ny antoko politika Tiako I Madagasikara izay misy ny tenanay, hoy izy, izay mahita fa tsy manaraka ny lalana mifehy ny fifidianana izany. Efa maro ny fanazavanay sy ireo antoko mpanohitra mitovy hevitra aminay. Mametraka mazava ny andininy faha 81, 82, 83 ao amin’ny lalampanorenana fa tokony ho fenoina aloha ireo mpifidy vaventy. Ny lalana fehizoro mifehy ny fifidianana loholona nivoaka ny taona 2015 dia namaritra fa “exceptionnel” na hoe manokana ny fifidianana notanterahana tamin’iny 2015 iny fa ny fifidianana loholona aoriana rehetra dia tokony hanaja ny fahafenoan’ny mpifidy vaventy. Nitety faritra ny mpanohitra hifampiresahana amin’ny vahoaka mangetaheta vaovao. Adidinay mpanao politika ny milaza ny zava-misy eto amin’ny firenena. Tany atsinanana izahay teo ary mbola hitsidika ireo faritra hafa. Ny tsara dia nifampihaino ny vahoaka sy izahay nidina tany ary maro ny zava-tsy fantatry ny vahoaka malagasy. Nisy moa ny fanagiazana ireo haino aman-jery samihafa izay azo lazaina hoe vaovao tokana ihany no mety ho ren’ny vahoaka Malagasy ka gaga izy ireo rehefa nomena ireo fanampim-baovao samihafa mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny ary liana, hoy hatrany ity depiote avy nidina ifotony ity.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana