Dans la mme rubrique

Depiote Brunelle Tsy mifankahazo amin’ny mpitondra intsony ?

30/10/2020

Niteraka resa-be ny tsy fahazoan` ny depiote voafidy tao Ikongo, Brunelle Razafitsiandraofa, izay lany tamin` ny alalan` vondrona IRD, miteny sy miseho amin` ny haino aman-jerim-panjakana (RNM/TVM).

Depiote Brunelle Tsy mifankahazo amin’ny mpitondra intsony ?

Hamaky ny tohiny...

Hetsika atao any Fianarantsoa Tsy noraisin’ny prefe ny delegasionin’ny TIM

30/10/2020

Tsy noraisin’ny prefen’i Fianarantsoa omaly ireo delegasionina hampahafantatra ny tatitra ataon’ny depiote mpanohitra ny fitondrana ao amin’ny Magro Fianarantsoa rahampitso sabotsy.

Hetsika atao any Fianarantsoa Tsy noraisin’ny prefe ny delegasionin’ny TIM

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Hamerina ny fitokisan` ny olom-pirenena aminy

30/10/2020

Nanatanteraka atrikasa fampiofanana ireo filoham-baomiera maharitra sy filohan’ny vondrona parlemantera eo anivon` ny Antenimieram-pirenena mandritry ny hateloana tany Antsirabe niarahana tamin` ny Fondation Friedrich Ebert Stiftung (FES) .

Antenimieram-pirenena Hamerina ny fitokisan` ny olom-pirenena aminy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana loholona Mandeha sahady ny fampielezan-kevitra

30/10/2020

Raha mbola amin` ny 18 novambra izao no voafaritra ny daty hanombohana ny fampielezan-kevitra ho amin` ny fifidianana izay ho loholona amin`ny 11 desambra izao saingy efa misy sahady no tsy mahandry tantana.

Fifidianana loholona Mandeha sahady ny fampielezan-kevitra

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra izao”

30/10/2020

Izao no fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra sy miseho, hoy ny antoko politika Natiora, tarihin’ny filohany Mihari-Ni-Rencho.

Antoko Natiora “Fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra izao”

Hamaky ny tohiny...

Tsy ampy fahalalana ny Malagasy Vao mainka koa manabado ny mpitondra

30/10/2020

Mihevitra ny Malagasy ho bado ny mpitondra eto amintsika. Porofon’izany, ohatra, ny filazan’izy ireo zavatra izay iaraha-mahalala izao fa tsy mitombina. Manamora ny fanambakana ataon’ny mpitondra ihany koa ny fari-pahalalan’ny Malagasy.

Tsy ampy fahalalana ny Malagasy Vao mainka koa manabado ny mpitondra

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Hanao tamberin`andraikitra misimisy kokoa

30/10/2020

Nihaona tamin’ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena izay notarihin’ny Filohany Razanamahasoa Christine ny Fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo rafitra maro samihafa, omaly.

Solombavambahoaka Hanao tamberin`andraikitra misimisy kokoa

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fetison Rakoto Andrianirina « Fihatsarambelatsihy ny fankalazana ny Repoblika ! »

16/10/2020

14 Oktobra, itsingerenan’ny nanambarana ny maha Repoblika an’i Madagasikara. Maro ny fanehoan-kevitra manodidina azy io. Manana ny fahitany azy ny Antoko Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy tarihin’i Fetison Rakoto Andrianirina.

 

 

 

TiaTanindrazana (TT) : Vao avy nankalaza ny andron’ny 14 Oktobra isika, midika inona ho anareo ao amin’ny Antoko Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy (RDS) izany ? Afaka mahasolo ny datin’ny 26 Jona ve izany ?

Fetison : Na ny datin’ny 14 Oktobra 1959 na ny 26 Jona 1960 dia daty tsy azo sarahina eo amin’ny tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy. Iry voalohany dia ny nahaterahan’ny maha-Repoblika an’i Madagasikara. Na dia efa naka ny endriky ny maha-Repoblika anefa aza isika tamin’izany, dia tsy mbola niverina tanteraka ny fahaleovantena ka nahatonga ny Filoha Tsiranana Philibert nanohy ireo dinika sy fifampiraharahana hiverenan’ny fahaleovantena tanteraka, na dia ny ara-politika ihany aloha. Tsy maintsy notakina ny famindram-pahefana ka nahatongavana tamin’ny « accords de coopération ». Ireny no niteraka ny 26 Jona. Etsy andaniny koa, ny taona 1960 no nipoiran’ny Tafika Malagasy voalohany, rariny raha toa ny 26 Jona no hankalazaina, tsy hanadinoana ireo rehetra mandrafitra ny tantarantsika anefa izany.

TT : Maro ny nankasitraka ny fanomezam-boninahitra tany Anahindrano ny Rain’ny Fahaleovantena Philibert Tsiranana nasehon’ny Filoha ankehitriny, Atoa Andry Rajoelina. Miombon-kevitra amin’izany ve ianareo ? Fetison : Tsy misy mandà izany. Fa inona kosa anefa no nataontsika mba ho setrin’ny ny ezaka nataon’i Raiamandreny Tsiranana Philibert ? Lasa fiatsarambelatsihy ny fankalazana ny Repoblika Malagasy rehefa tsy hajaina ny hasin’ny maha-Repoblika azy. Aminay, izany Repoblika izany dia tokony homem-boninahitra, homen-danja sy tompoin’ny rehetra, indrindra moa fa ho an’ireo izay nomena ny andraikitra sy adidy ny hiaro azy. Mampalahelo fa lasa seho ivelany fotsiny sisa no hita.

 TT : Iza no tianao tondroina fa nomena andraikitra hiaro ny Repoblika ary inona no mahatonga anao miteny izany ?

Fetison : Very ny maha-Repoblika an’i Madagasikara rehefa ireo tompon’andraikitra tarihin’ny Filohampirenena no tsy manaja sy miaro azy. Santionany vitsy ireto : fanaovana tsinontsinona ny Repoblika ny tsy fanajana ny Sata mifehy azy dia ny Lalampanorenana, fanikatsitsahana ny maha-Repoblika ny tsy fanajana – noho ny resaka politika – ireo Rafitra mandrafitra azy, soritako manokana ny tsy famoahana ny teti-bola efa nekena hiasan’ny Antenimieran-doholona ohatra, ny fanaovana amboletra ny fifidianana hitadiavana ny maro an’isa, izay tsy misy maharatsy azy rehefa hajaina ny lalàna manankery. Ary aza adino, fitsipiky voalohan’ny Repoblika ny fifampiresahina na ny « dialogue ». Misy ve izany ankehitriny ?

TT : Te hilaza ve izany ianao fa miroso ho amin’ny jadona isika ?

Fetison : Betsaka ny zava-manahirana ny saina amin’ny fomba fitondrana ny raharaham-pirenena ankehitriny. Mananontanona ny endrika « didiko fe lehibe » isika ka ahiana ny fahaverezan’ny kolontsaina sy ny firaisankinan’ny malagasy, hiteraka korontana ka mety haningotra ny maha-Repoblika ny firenena izany. Manamafy aho fa tsy ho zakantsika malagasy intsony ny korontana ara-politika sy ara-tsosialy vokaran’izany fihetsika tsy mendrika izany.

 Nangonin’i Jean D.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana