Dans la męme rubrique

Depiote Brunelle Tsy mifankahazo amin’ny mpitondra intsony ?

30/10/2020

Niteraka resa-be ny tsy fahazoan` ny depiote voafidy tao Ikongo, Brunelle Razafitsiandraofa, izay lany tamin` ny alalan` vondrona IRD, miteny sy miseho amin` ny haino aman-jerim-panjakana (RNM/TVM).

Depiote Brunelle Tsy mifankahazo amin’ny mpitondra intsony ?

Hamaky ny tohiny...

Hetsika atao any Fianarantsoa Tsy noraisin’ny prefe ny delegasionin’ny TIM

30/10/2020

Tsy noraisin’ny prefen’i Fianarantsoa omaly ireo delegasionina hampahafantatra ny tatitra ataon’ny depiote mpanohitra ny fitondrana ao amin’ny Magro Fianarantsoa rahampitso sabotsy.

Hetsika atao any Fianarantsoa Tsy noraisin’ny prefe ny delegasionin’ny TIM

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Hamerina ny fitokisan` ny olom-pirenena aminy

30/10/2020

Nanatanteraka atrikasa fampiofanana ireo filoham-baomiera maharitra sy filohan’ny vondrona parlemantera eo anivon` ny Antenimieram-pirenena mandritry ny hateloana tany Antsirabe niarahana tamin` ny Fondation Friedrich Ebert Stiftung (FES) .

Antenimieram-pirenena Hamerina ny fitokisan` ny olom-pirenena aminy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana loholona Mandeha sahady ny fampielezan-kevitra

30/10/2020

Raha mbola amin` ny 18 novambra izao no voafaritra ny daty hanombohana ny fampielezan-kevitra ho amin` ny fifidianana izay ho loholona amin`ny 11 desambra izao saingy efa misy sahady no tsy mahandry tantana.

Fifidianana loholona Mandeha sahady ny fampielezan-kevitra

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra izao”

30/10/2020

Izao no fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra sy miseho, hoy ny antoko politika Natiora, tarihin’ny filohany Mihari-Ni-Rencho.

Antoko Natiora “Fotoana tokony hahafahan’ny Malagasy mivoatra izao”

Hamaky ny tohiny...

Tsy ampy fahalalana ny Malagasy Vao mainka koa manabado ny mpitondra

30/10/2020

Mihevitra ny Malagasy ho bado ny mpitondra eto amintsika. Porofon’izany, ohatra, ny filazan’izy ireo zavatra izay iaraha-mahalala izao fa tsy mitombina. Manamora ny fanambakana ataon’ny mpitondra ihany koa ny fari-pahalalan’ny Malagasy.

Tsy ampy fahalalana ny Malagasy Vao mainka koa manabado ny mpitondra

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Hanao tamberin`andraikitra misimisy kokoa

30/10/2020

Nihaona tamin’ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena izay notarihin’ny Filohany Razanamahasoa Christine ny Fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo rafitra maro samihafa, omaly.

Solombavambahoaka Hanao tamberin`andraikitra misimisy kokoa

Hamaky ny tohiny...


Politique

Depiote Leva Naiditra am-ponja ao Morondava indray

22/09/2020

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Morondava indray, raha ny fampitam-baovao voaray, ny solombavambahoaka teo aloha, Ludovic Raveloson, fantatry ny maro amin’ny hoe depiote Leva.

 

 Efa notanana am-ponja vonjimaika izy nialohan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana 2019, raha tsiahivina fohy, noho ny raharaha vono olona sy famotehana ala ny taona 2016. Araka ity fampitam-baovao ity hatrany dia mampiahiahy ireo olona akaiky ity solombavambahoaka teo aloha ity  ny taratasy fanamarinana tsy fahasalamana nentina niampangana azy.Tsy hita fototra mazava any amin’ny toeram-pitsaboana, io taratasy io, hoy izy ireo.Efa nangataka tamin’ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity raharaha ity moa tamin’ny faran’ny herinandro teo i Ludovic Raveloson, satria misy hoy izy ny zavatra manjavozavo ; nanamafy izany ihany koa ramatoa vadiny. Ny alatsinainy izao moa, raha ny vaovao voaray hatrany no hanatontosana ny fitsarana.

 J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana