Dans la mme rubrique

Ravelonanosy Bruno Nolavin’ny Fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjimaika

15/09/2020

Omaly no niakatra teny amin’ny Fitsarana ilay fangatahana fahafahana vonjimaika ho an-dRavelonanosy Bruno naiditra am-ponja ny 03 jona lasa teo noho ilay raharaha ady tany eny Antanandrano Ambohitrarahaba mirefy 34 ha.

Ravelonanosy Bruno Nolavin’ny Fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjimaika

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny fahasalamana Notoloran’ny Fondation BOA fiara 6

15/09/2020

Nanolotra fiara tsy mataho-dàlana fitondrana marary miisa 06 ho an’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ny « Fondation BOA » sy ny « Madagascar International Container Terminal Services » omaly ny 14 Septambra 2020.

Minisiteran’ny fahasalamana Notoloran’ny Fondation BOA fiara 6

Hamaky ny tohiny...

Facebook Nisy nisandoka ny kaontin’ilay minisitra

14/09/2020

Mivoatra tokoa angamba ny teknolojia ka mitombo isa ihany koa ireo trangana fisolokiana sy hosoka amin` ny tambajotra serasera. Tsy olon-tsotra intsony no lasibatra fa hatramina minisitra mihitsy.

Facebook Nisy nisandoka ny kaontin’ilay minisitra

Hamaky ny tohiny...

Tontolo iainana “Mifampiankina ny natiora sy ny olombelona”

14/09/2020

“Mihena 68% ny harena voajanahary maneran-tany teo anelanelan’ny 1970 ka hatramin’ny 2016. Karazam-biby sy zavamaniry maro no efa lany tamingana.

Tontolo iainana “Mifampiankina ny natiora sy ny olombelona”

Hamaky ny tohiny...

Etoile de Madagascar Tafiditra ao anatin'ireo lisitry UICN

14/09/2020

Manodidina ny 1 200 ireo karazana « orchidée » misy eto Madagasikara ary tsy misy afa-tsy eto amintsika ihany koa ny 90% amin’izany.

Etoile de Madagascar Tafiditra ao anatin'ireo lisitry UICN

Hamaky ny tohiny...

Mahajanga Rakotra vahoaka eny amin’ny Bord

14/09/2020

Mifanaretsaka ny mponina any Mahajanga amin’izao fotoana izao, taorian’ny fanalefahana ny fepetra noraisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 06 septambra lasa teo.

Mahajanga Rakotra vahoaka eny amin’ny Bord

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Famarotana tany tsy ara-dalàna Misy tompon’andraikitra ambony voasaringotra

15/09/2020

Sehatra iray ahitàna hosoka sy fisolokiana be indrindra ny fananan-tany. Misy no mahavatra mitondra taratasy fifampivarotana (acte de vente) mba handroahana olona amin’ny tany efa nokarakarainy an-taonany maro kanefa rehefa

hadihadiana lalina dia taratasy tsy misy sosony any anaty bokim-panjakana akory. Tahaka izany no nanjo ireto olona maromaro izay efa nonina an-taonany naharitra tamin’ny kaominina ao Toamasina kanefa tampotampoka eo dia misy milaza ho tompony ilay tany. Naniraka vadin-tany ny olona iray, voalaza fa tompon’andraikitra teo anivon` ny kaominina, nandroaka azy ireo. Araka ny nambaran’ny mpîsolovava an’ireto fokonolona efa nanamaintimolaly ny tany dia tsy marim-pototra io taratasy fiofampivarotana io fa hosoka kanefa nahagaga, hoy izy ny nanomezan’ny Fitsarana alalana azy io handroaka ireo olona efa nonina teo am-polo taonany maro. Ny nahagaga aza dia ireo olona efa nanamaintimolaly ny tany indray no niditra am-ponja vonjimaika tamin’izao raharaha izao. Raha ny fanazavana hatrany dia ilay taratasy fifampîvarotana teo amin’ilay mitonona ho nahazo ny tany sy ny solotenan’ny kaominina nanasonia ilay fifampivarotana dia fotoana fohy ihany satria tsy an-taonany, tsy am-bolana fa telo andro monja.Tsy zava-baovao akory ny fisiana adin-tany tahaka izao any Toamasina sy ny fisiana olona miray tsikombakomba fa efa zary mahazo vahana mihitsy. Ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha moa raha nanontanian’ny mpanao gazety momba ny toetran’ireo tomponandraikitry ny fitsarana sasantsasany any Atsinanana ity dia niaiky fa misy ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy ka na ireny antontan-taratasin’ady ireny afindra amin’ny toeran-kafa ny fitsarana azy na mpitsara hafa avy aty Antananarivo no asaina manao ny fitsarana. Ireo mpisolovava any an-toerana indray nefa dia nilaza fa toa manome fahasahiranana ny olona arovany ihany ny famindrana ny fitsarana any an-toeran-kafa.

Marigny A.

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana