Dans la mme rubrique

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 no maty tao anatin’ny herinandro

14/09/2020

Olona 2 no namoy ny ainy tao anatin’ny 48 ora, ka 01 tany SAVA ny sabotsy teo, ary 01 hafa tany DIANA omaly alahady, araka ny tatitry nataon’ny Pr Vololontiana Hanta. 210 no namoy ny ainy hatramin’izay,

Coronavirus 9 no maty tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 110 indray no voasazy

14/09/2020

Na dia efa miha mihena hatrany aza ireo olona lasibatry ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika dia mbola tsy foana tanteraka ny aretina.

Tsy fanajana fepetra Olona 110 indray no voasazy

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 104 indray voa, 02 maty

11/09/2020

Niampy roa indray ny matin’ny coronavirus, ka iray avy ny tany Matsiatra Ambony sy Diana, nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay ho 208, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 104 indray voa, 02 maty

Hamaky ny tohiny...

Fifandrifian-javatra sa … Hivoaka ny CVO gélule, mitombo ny trangana Covid-19

11/09/2020

Ny alahady 6 aogositra teo no nilazan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa hivoaka afaka tapa-bolana raha ela indrindra ny CVO+ na ny CVO amin’ny endriny “gélule”

Fifandrifian-javatra sa … Hivoaka ny CVO gélule, mitombo ny trangana Covid-19

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Miakatra ny taha any amin’ny Faritra

10/09/2020

Tsy nisy ny aina nafoy omaly, ka mijanona ho 206 ireo lavon’ny coronavirus hatramin’izay. 85 kosa ny tranga vaovao, azo tamin’ny fitiliana 526, manome taham-pahavoazana 16,15%.

Coronavirus Miakatra ny taha any amin’ny Faritra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

 

 

Inona moa anefa no ho tombotsoan’ ny mpanohitra haniry ratsy ny mpiray tanindrazana aminy? Tena azo handrefesana tsara ny fomba fiasan’ny fitondrana anefa ny krizy ara-pahasalamana, izay efa hiditra amin` ny fahaenim-bolana ny fametrahana ny fahamehana eto amin` ny firenena. Maro ireo teboka tsy mazava, valy boraingina no azo amin’ireo manampahefana vao mba mitaky mangaraharaha, ary soketaina ho mpanakorontana ny mpanohitra na izay tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana.Tsy atao mahagaga raha maro no miahiahy fa manafin-javatra ny fanjakana, tahaka ny resaka tarehimarika ohatra. Maro ireo te handray anjara amin'ny ady atao amin'ity valanaretina Covid-19 ity; saingy noho ny teny an’avona sy latsa mahazatra ny ankamaroan’ireo manampahefana rehefa miteny dia miahotra ny olona.Ny fiaraha-mientana ihany anefa no hahafahana mandresy haingana ny Covid 19, ny aretina rahateo tsy mifidy hoe mpanohana na mpanohitra ny fitondrana fa izay sendra azy dia petahany aloha.Mila misokatra ny fomba fijery, tsy tery ny fomba fisainana…tsy izao ve no fotoana hanehoana ilay hambom-pom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana ka hiara-miaentana tahaka ny natao tamin’ny Barea ireny e !

 Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana