Dans la mme rubrique

Fitantanana ny firenena Mitamberina ny tetezamita

15/09/2020

Ao anatin’ny fotoan-tsarotra ny firenena Malagasy vokatry ny krizy miseho ankehitriny.

Fitantanana ny firenena Mitamberina ny tetezamita

Hamaky ny tohiny...

Andry Raobelina Miha mafy ny fanenjehana azy

14/09/2020

Taorian’ireo olon’ny HVM teo aloha toa an-dry Mbola Rajaonah sy Claudine Razaimamonjy dia tsikaritra ho miha mafy indray ankehitriny ny fanenjehana eny anivona haino aman-jery sy tambazotra samihafa ny mpandraharaha Malagasy,

Andry Raobelina Miha mafy ny fanenjehana azy

Hamaky ny tohiny...

Valifaty politika Lasa fitaovam-piadiana ny fitsarana…

14/09/2020

Ny faran’ny herinandro lasa teo no nanaovan’ny Filohan’ny Antenimierandolohona Atoa Rivo Rakotovao ampamoaka momba ilay taratasy nalefana manampahefana avy ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika manome baiko ny PAC (Pôles Anti-Corruption)

Valifaty politika Lasa fitaovam-piadiana ny fitsarana…

Hamaky ny tohiny...

Eric Rabeharisoa “Hampidi-doza ny fitondrana ny zava-misy”

14/09/2020

Tsy fantatra be eny ihany ny tena fizotran’ity Coronavirus eto Madagasikara ity, hoy ny mpanao politika, Eric Rabeharisoa. Sarotra be ho an’ny mpitondra fanjakana ny mamoaka stratejia satria tsy fantany ny tena fipetrak’ilay izy.

Eric Rabeharisoa “Hampidi-doza ny fitondrana ny zava-misy”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Leader Fanilo “Tokony 45 fara fahakeliny ny isan’ny loholona”

14/09/2020

Mbola antoko velona ny Leader Fanilo izay tarihin’ny filohany, Jean Max Rakotomamonjy, hoy i Eric Rabeharisoa sekretera jeneralin’ity antoko, ity.

Antoko Leader Fanilo “Tokony 45 fara fahakeliny ny isan’ny loholona”

Hamaky ny tohiny...

Antoko PSD Nanolotra fanampiana ho an` ireo mpiasan` ny fahasalamana

14/09/2020

Ny faran` ny herinandro lasa teo dia tonga nanolotra aro-vava miisa 300 ary "Gel désinfectant" 10 tavoahangy ho an'ny Hopitaly Vaovao Mahafaly any Mandritsara ny antoko PSD.

Antoko PSD Nanolotra fanampiana ho an` ireo mpiasan` ny fahasalamana

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana Rajoelina “Tonga amina toerana manahirana indrindra…”

11/09/2020

Ity no tadidio, fa rehefa ny Filoha no lany tamin ny isam-bato 55% na koa hoe tonga dia lany maherin’ny 80%.

Fitondrana Rajoelina “Tonga amina toerana manahirana indrindra…”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tale Jeneralin’ny Fitantanana ny hetra « Tsy nakatona tanteraka izany ny AAA»

15/09/2020

« Tsy misy ambadika politika ny fanakatonana ny AAA ary ny DGI tsy manao politika, fa rehefa tsy manata-dalàna dia haverina amin’ny fanarahan-dalà

 

 

 

na. Tsy fanakatonana tanteraka, fa fampiatoana ara-panjakana (mésure administrative) ao anatin’ny 15 andro hahafahan’ny orinasa manaraka sy mameno ny fepetra araka ny lalàna no natao, hoy ny Tale Jenelin’ny Fitantanana ankapobeny ny hetra na ny DGI Atoa Gérmain omaly teny Antaninarenina. Nambarany fa tsy ny AAA ihany fa 22 no efa nanaovana izany hatramin’ny taona 2019. Ny AAA no nilaza, izahay tsy naka mpanao gazety tamin’ny fanakatonana, izay tafiditra ao anatin’ny tsiambaratelon’ny asa, hoy izy. Hetra mitentina 140 miliara ariary no tsy naloan` ny orinasa AAA – TIKO, hoy hatrany ny DGI. Misy antony matoa tonga amin’ny  fanakatonana hoy ny fanazavana : tsy nahaloa hetra na tsy manaraka ny lalàna mahakasika ny fandraharaharana. Tsy midika hoe rehefa nanao “déclaration fiscale” napetraka any amin`ny DGI dia ara-dalàna” hoy Germain, tale jeneralin` ny foibem-pitantanana ankapobeny ny hetra raha nanontaniana mahakasika ny raharaha Orinasa AAA- TIKO.

EFA DILA NY 15 ANDRO

Efa dila ny 15 andro ho an’ny Magro AAA Behoririka izay ny 19 aogositra no nakatona. Nakatona ihany koa ny Tiko sy AAA Toamasina ny 28 aogositra. Nitohy tao amin’ny ozinina Andranomanelatra ny 01 septambra, ary ny AAA Fianarantsoa ny 02 septambra. Nametraka fitoriana mangataka ny fanafoanana ny fanakatonana noho ny fahatsapan’izy ireo ny fisian’ny fanararaotam-pahefana na « récours en annulation pour excés de pouvoir » ny AAA ny 08 septambra teo. Ampatsiahivina ihany fa fanampiana ny orinasa no tokony hataon’ny fanjakana amin’izao krizy izao fa tsy fanakatonana. Tena tsy maintsy nakatona ve raha tsy misy ambadika politika marina ? Tsy afaka sady navela niodina ve ny orinasa amin’izao krizy izao, ary mameno miandalana ny fepetra raha tsy feno tokoa? 22 ve ny orinasa tsy manaja fepetra ara-ketra eo anatrehan’ny taham-pandoavan-ketra 12% raha be indrindra eto Madagasikara ? Andrasana ny tohiny satria efa tokony hisy fivoarany aty amin’ny 15 andro aty aoriana.

 

 

Marigny A sy Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana