Dans la mme rubrique

Alaotra Mangoro Nomena fiofanana ireo tanora

30/10/2020

Tanora 93 no nisitraka fampiofanana amin'ny taranja informatika, "électricien batiment" ary ny "machiniste ouvrier" avy amin` ny sampan-draharahan’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa Alaotra Mangoro.

Alaotra Mangoro Nomena fiofanana ireo tanora

Hamaky ny tohiny...

Rivellino Ravelomahazo “Tokony hihetsika ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa”

30/10/2020

Raha misy ny fidanganana vidim-piainana na fitotonganam-bola na sandam-bola na fiakaran’ny vidin’entana moa izany no valiny eny anivon’ny tsena dia miankina amina zavatra maro, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Rivellino Ravelomahazo.

Rivellino Ravelomahazo “Tokony hihetsika ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa”

Hamaky ny tohiny...

Orana maivana Tondraka sahady i Besarety, Andravoahangy, Antsakaviro

28/10/2020

Mbola orana maivamaivana toy iny nitranga omaly iny dia efa naha tondraka sahady an’i Besarety sy Andravoahangy ka hatrany amin’iny Antsakaviro iny.

Orana maivana Tondraka sahady i Besarety, Andravoahangy, Antsakaviro

Hamaky ny tohiny...

HAFARI Malagasy Hizara tany eny Antanandrano

26/10/2020

Hiverina amin’ny heriny tanteraka ny Fikambanana HAFARI Malagasy tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina taorian’ny fihibohana nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19

HAFARI Malagasy Hizara tany eny Antanandrano

Hamaky ny tohiny...

Hofan-trano, faktiora amin`ny vola vahiny Tsy maintsy atao amin’ny Ariary manomboka izao

26/10/2020

Ao anatin` ny lamin'ny tanjona kendreny sy ny iraka ampanaovina azy, dia mampahafantatra ny Banky Foiben`i Madagasikara (BFM) amin` ny fametrahana ny fifanarahana fifanarahana fampanofana sy faktiora ary ny fandoavana izany amin`ny ariary.

Hofan-trano, faktiora amin`ny vola vahiny Tsy maintsy atao amin’ny Ariary manomboka izao

Hamaky ny tohiny...

Lehilahy mamo lava Darohany ny vadiny, navariny an-tevana ny zanany

26/10/2020

Raim-pianakaviana iray mpamono vady aman-janaka isan’andro no voatery naiditra am-ponja vonjimaika tany Antsahabary Soavinandriana Itasy ny faran’ny herinandro teo.

Lehilahy mamo lava Darohany ny vadiny, navariny an-tevana ny zanany

Hamaky ny tohiny...

Faritra Atsimo Mifampiankina ny fiarovana ny ala sy ny famatsiana rano

26/10/2020

Manana velarana ala voajanahary midadasika ahitana karazam-biby maro toy ny vorona, varika ary bibilava ny Faritra arovana Tsitongambarika.

Faritra Atsimo Mifampiankina ny fiarovana ny ala sy ny famatsiana rano

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fampidinana vidin-tsolika Mahita ialana bala foana ny fanjakana

14/09/2020

Tany amin’ny fiandohan’ny krizy no efa nanomboka nitotongana ny vidin’ny solika teo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

 

 

Nisy fotoana nidina tany amin’ny 10 dolara ny iray barila. Ny 05 jona dia isan’ny nanontanian’ny solombavambahoaka tamin’ny Minisitry ny angovo Atoa Christian Ramarolahy io, ka nambarany tamin’ity farany tamin’izany, fa olana iainantsika ny hakelin’ny ny fanatobiana solika sy ny tsy fananana « raffinerie ». Raha be indrindra dia 45 andro no afaka vatsiana. Isaky ny 6 volana anefa ny an’ny firenena manana toby lehibe. Ny mpandraharahan’ny solika aloha izany no nisitraka ny tombony teo. Nialoha an’io, ny 28 mey no nilaza ny Praiminisitra, fa ny hanefana ny 170 miliara ariary, izay tokony ho voaloha ny volana septambra. Tsy azo atao izany amin’izao fotoana izao, na midina be aza ny vidiny iraisam-pirenena noho io trosa mbola ananan’ny mpandraharaha amintsika io, hoy ny Praiminisitra. Amin’ny volana septambra na oktobra vao mety ho voaloa io trosa io ka amin’izay vao antenaina fa mety hidina ny vidin-solika, hoy ny fanazavana tamin’izany. Raha manantena ny rehetra fa mba hisy fidinana io, dia tsy izay no miseho. Ankehitriny, ny fiandohan’ity volana ity no nilazan’ny Tale Jeneralin’ny OMH Atoa Olivier Jean Baptiste fa tsy manana vinavina hampidina na hanitsy ny vidin-tsolika izy ireo noho ny fitotongan’ny sandan’ny ariary ka misy fiantraikany amin’ny fanafarana solika. Mahita fialana bala hatrany ny fanjakana eo anatrehan’ity resa-tsolika ity. Vokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy tsy fahaiza-manao avokoa izany, ary ny zavatra ataon’ny fanjakana amin’ity fanafarana zavatra hozarazaina etsy sy eroa ity no isan’ny mampitotongana ny sandam-bola. Ny resaka solika no isan’ny vahaolana ara-tsosialy mety hisy fiantraikany amin’ny vidim-piainana, fa tsy ny kizarazara miendrika propagandy politika. Mila jerena ihany koa ny vidin-jiro. Nahoana ny mpitondra any Ghana no mahavita tsy mampandoa vidin-jiro hatramin’ny faran’ny taona fa ny antsika milaza fa ho sangany aty Afrika tsy misy hafitsoka ?

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana