Dans la męme rubrique

Tsy hisy vahoaka hanakana

28/10/2020

Tsy hisy vahoaka hanakana ny mpitondra azy mihitsy eo na hifidy hamerina ny fitsidihana izao tontolo izao ao anatin’ny 80 andro toy ilay tantara malaza iray izay aza.

Tsy hisy vahoaka hanakana

Hamaky ny tohiny...

Miandry fiovana ifotony

26/10/2020

Ny fanazavana ny toe-java misy dia tsy maintsy hisy foana ary tonga amin’ilay fitenin’ny mpanao politika iray izay izy io hoe arakaraky ny solomaso hanaovana ny fetran’ny hita.

Miandry fiovana ifotony

Hamaky ny tohiny...

Tankina sy fotsy rora

23/10/2020

Samy maha valalanina ankehitriny ny zava-misy eto amin’ny firenena sy eo amin’izao tontolo izao.

Tankina sy fotsy rora

Hamaky ny tohiny...

Miandry mpihaino

22/10/2020

Tsikera mpahazo ny mpanohitra ny fitondrana avy amin’ireo mpiaradia amin’ny mpitondra matetika moa ny hoe tsy mba mandroso vahaolana fa mitsikera foana.

Miandry mpihaino

Hamaky ny tohiny...

Migebona…

21/10/2020

Folo volana latsaka herinandro izay no nitsanganan’ny Governemanta faharoan’ny Praiminisitra Ntsay Christian izay narafitra manokana ho taratry ny fisokafana sy ny fahaiza-manaon’ny zanaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka, na ny eto an-toerana na ny avy any ivelany,

Migebona…

Hamaky ny tohiny...

Hiazakazaka sa handeha lavitra ?

20/10/2020

Raha tiana ny hiazakazaka dia aleo mandeha irery, hoy ny olo-malaza iray izay. Raha tiana kosa ny andeha lavitra dia ilaina ny miara-dalana.

Hiazakazaka sa handeha lavitra ?

Hamaky ny tohiny...

Midoka tena toa papelika

19/10/2020

Manga ny lanitra, nahomby ny ezaka, tena nahay ny mpitondra ankehitriny tamin’ny pakaidy nentiny niatrehana ny krizy, raha ny valan-dresaky ny filoham-pirenena omaly.

Midoka tena toa papelika

Hamaky ny tohiny...


Edito

Hanome sa omena lesona ?

14/09/2020

Kizarazara etsy, fitokatokanana eroa, fampantenana mitosaka na aiza na aiza aleha,…

 

 

 Toy ny mbola ao anaty propagandy isika. Azo antoka fa hitohy satria misy ihany koa ireo tetikasa goavana nataon’ny fanjakana teo aloha mety ho vita ato ho ato, toy ny toby lehibe famokarana herinaratra any Sahahofika, ny fanitarana ny seranam-piaramanidina,… Miezaka ny mametraka ny dian-tànany ny fanjakana ankehitriny, saingy ny manahirana dia ny hoe : mifanaraka amin’ny filan’ny Malagasy ve ny ankamaroan’ireo laharam-pahamehana eto ? Kianja manara-penitra handaniana an-jatony miliara, kianja masoandro niteraka lonilony, trano mijoalajoala,… Fandre matetika ny hoe : ho sangany indrindra aty Afrika, orinasa lehibe indrindra aty Afrika, orinasa lehibe indrindra aty Afrika,… Fa maninona raha mba ny sahaza sy mety amin’ny Malagasy no atao ? Amin’ny kisehoseho isika, dia efa tena sangany aty Afrika, fa raha ny ara-toekarena sy fiainana ara-tsosialin’ny Malagasy dia mbola any amin’ny rambony, ary mihemotra hatrany hatreto. Ara-politika aza moa, dia isika no maneho fa hanome lesona ho an’ny Afrikanina, raha raisina amin’ilay tenin’ny Filoha ny 06 septambra hoe : « Tsy any Côte d'Ivoire, Guinée ka hiezaka hijanona eo mandrakizay » manoloana ilay resaka nandeha fa hanalava ny fe-potoam-piasana. Ny tsy azo lavina angamba, dia mety sangany taty Afrika isika tamin’ny fanatosahana vola nakana fahefana vao tsy ela, na ny fanonganam-panjakana niteraka fahapotehana tsy roa aman-tany tany aloha? Ny seho ivelany, dia mety ho sangany aty Afrika isika, fa raha ny fiainam-bahoaka sy ny ara-toekarena dia toa miha rambony, ka sao sanatria mbola hataon’ny olona tsisy kalitao ihany amin’ity fomba fiasa mitovy ny tamin’ny tetezamita ?

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana