Dans la mme rubrique

Antananarivo 398 indray no tratra tsy nanao arotava

28/10/2020

Mbola tsy foana tanteraka ny valanaretina Covid 19 eto amintsika. Ny mahavariana anefa dia mihabetsaka ireo tsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana intsony toy ny fanaovana arotava…

Antananarivo 398 indray no tratra tsy nanao arotava

Hamaky ny tohiny...

Dr Marius Ramaroson “Vaksiny tena izy ihany no haharesy ny Covid 19”

28/10/2020

Aretim-pitranga mialohan’ny rotsak’orana sy andron’ny zakarandahy ary felam-paiso toy izao, hoy ny dokotera Marius Ramaroson, ireo aretin’ny fitaovam-pisefoana. Eo ny “allergie” dia eo koa ny areti-kibo.

Dr Marius Ramaroson “Vaksiny tena izy ihany no haharesy ny Covid 19”

Hamaky ny tohiny...

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

26/10/2020

Maty ilay dokotera nanolo-tena nanaovana andrana amin'ny vaksiny covid-19 tany Brésil.

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

Hamaky ny tohiny...

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

26/10/2020

Efa betsaka ireo olona tsy manao arotava intsony eto amintsika. Anisan’izany ireo mandehandeha eny amin’ny arabe. Ireo tsy maintsy mandeha fiara fitateram-bahoaka sisa no manao izany noho ny fiheveran’ny sasany fa efa foana tanteraka ny areti-mandoza Covid 19.

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

26/10/2020

Nambaran’ny tatitra ofisialy ny sabotsy lasa teo fa nisy tranga vaovao 158 tamin’ny fitiliana miisa 2252, notanterahana ny 17 ka hatramin’ny 23 oktobra.Nisy marary 06 namoy ny ainy, raha toa ka 86 ireo sitrana.

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

23/10/2020

Firenena 10 no hita ao amin'ny lisitr' ireo firenena izay tsy nahazo alalana hiditra eto Madagasikara, araka ny naoty navoakan` ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ho an'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka: Allemagne, Belgique, Espagne, Frantsa, Italia , Pays Bas, Pologne, Royaume-Uni, Rosia ary Ukraine.

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

23/10/2020

Manohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny covid19 ry zareo Koreana Tatsimo.

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fifandrifian-javatra sa … Hivoaka ny CVO gélule, mitombo ny trangana Covid-19

11/09/2020

Ny alahady 6 aogositra teo no nilazan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa hivoaka afaka tapa-bolana raha ela indrindra ny CVO+ na ny CVO amin’ny endriny “gélule”

 

 

 vokarin’ny Pharmalagasy. Ny 18 jona no tonga ny fitaovana, ny 30 jona no nitsidika teny ny Filoha mivady, ary teo no efa nilazana fa hivoaka afaka fotoana fohy ity fanafody ity ka afa-mamokatra 1500 isa-minitra ny ozinina. 12 karazana ny fanafody hovokarin’ny Pharmalagasy. Na izany aza, azo ambara fa tara fanombohana sy diso andro ny CVO+ satria ny Filoham-pirenena izao ihany no nilaza ny 06 aogositra fa voafehy ny aretina ary an-dalam-pandresena azy isika. Ny tsikaritra anefa dia lasa mitombo ny tranga. 50 tamin’ny 06 septambra, 33 ny 07 septambra, 83 ny 08 septambra, 85 ny 09 septambra, ary tafiakatra 104 omaly 10 septambra. Mihavitsy sy toa lasa mifandanjalanja amin’ny isan’ny tranga vaovao ny sitrana, ary tato anatin’ny herinandro dia miha mitombo ireo mbola manaraka fitsaboana, fa tsy toy ny tany aloha izay misy hatrany amin’ny 500 isan’andro. Ny 27 aogositra, tapa-bolana lasa izay isika 722 ny olona mbola tsaboina, ary tafiakatra 1119 izany hatramin’ny omaly. Noho ny fepetra nohalefahana ve dia misy vokany mampiakatra ny tranga 4 andro monja aty aoriana? Fifandrifian-javatra ihany ve ny ho fivoahan’ny CVO gélule sy ny fitomboan’ny tranga vaovao sy ny fihenan’ny sitrana? Sao sanatria misy filalaovana antontan’isa sy misy tetika hoenti-manome sehatra ilay fanafody vao havoaka ? Handeha ho azy ve ny fampiasana azy sa hipongatra indray ny adihevitra na eto na any ivelany toy ny tamin’ny CVO ranony sy vovony ?

 Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana