Dans la mme rubrique

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

30/09/2020

Mitombo isa hatrany ireo olona tsy manao aron-tava intsony eny an-dalana eny.

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

29/09/2020

Tranga vaovao 63 no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, hita tamin’ny fitiliana 404, manome taham-pahavoazana 15,59%.

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

Hamaky ny tohiny...

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

28/09/2020

Olona iray tany amin’ny Faritra Menabe no lavon’ny Covid 19 ny 55 ny sitrana ny sabotsy teo, ary 36 ny tranga azo tamin’ny fitiliana 647 manome taham-pahavoazana 5,56%.

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

10/08/2020

148 ny maty, kanefa na iray aza dia marary izany, ka ny tambavy CVO no nambaran’ny Filoha, fa nahafaha-nifehy ny fidangan’ny fahafatesana. 1 890 051 ny CVO “Pack familial” nozaraina nanerana ny Nosy,

 

 

 

 nozaraina ho an’ny tokantrano. 577 000 ny teto Antananarivo izay nisy ny olona nilahatra, nisy nozaraina nanerana ny boriborintany, ary saika nilaza fa efa nisotro avokoa. Faty mikararana raha tsy nisy ny CVO, hoy I Andry Rajoelina. Ny tany Amerika tsy araka intsony ny fandevenana. Na mino ny olona na tsy mino, dia ny paikady nizarana ny CVO sy ny paikady napetraka sy ny fahaizan’ny dokotera no mahatonga ny eto amintsika ho toy izao, hoy hatrany I Andry Rajoelina. Raha raisina hoe olona 4 no salanisana tokantrano Malagasy dia ny manodidina ny 30% tamin’ny vahoaka Malagasy atao hoe 25 tapitrisa ve izany nahazo CVO avokoa satria manodidina ny 7,5 tapitrisa any ho any no nisotro, raha raisina amin’io kajy 4 isaky ny tokantrano io. Tena mitombona sy azo antoka ve ny antontan’isa navoakan’ny fanjakana fa 1 890 051 ny “Pack” nozaraina ? Ny teto Antananarivo izay mora ny mizara sy mitsinjara aza betsaka ny olona tsy nahazo na tsy nisotro, na nisotro fa tsy nanaja ilay fatra. Firy marina izany ny CVO namboarina sy novokarina satria nisy ihany koa ny nalefa tany Afrika ? Firy ny vovony ary firy marina ny tamin’ny tavoahangy? Ohatrinona ny vola natonton’ny fitondram-panjakana tao anatin’izany izay tsy misy tatitra mandrak’androany? Mbola baraingo ihany koa ny karazany novokarina hoe: firy ny amin’ilay ambara fa manasitrana ary firy ilay fisorohana ? Efa nisy rahateo ny antontan’isa diso nilazana fa CVO  no nanasitrana ireo marary rehetra. Betsaka ny zavatra manjavozavo mila hazavaina.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana