Dans la mme rubrique

Fanesoana manara-penitra

30/09/2020

Ny atao ihany no atao fa izay hipoahany ihany no hirehetany. Na iza faly na iza tezitra tsy maintsy miroso amin’ny heveriny fa nofinofy tiany hotanterahina ny Fanjakana ankehitriny.

Fanesoana manara-penitra

Hamaky ny tohiny...

Miandry foana

29/09/2020

Tsy misy azon’ny Malagasy atao afa-tsy ny miandry aloha izany hatreto, raha ny fehin’ny fanehoan-kevitr’ireo mpiaradia sy mpanaradia ny fitondrana ankehitriny. Mbola tsy ampy telo taona akory, hono,

Miandry foana

Hamaky ny tohiny...

Poizina

28/09/2020

Poizina ho an’ny fanjakana iray rehefa ny Mpitondra no mihevi-tena ho mafy sy matanjaka ka tsy te hahalala ny hevitry ny hafa intsony amin’ny fitantanana firenena.

Poizina

Hamaky ny tohiny...

Fanorenana maha very hevitra

22/09/2020

Malaza indray ankehitriny ny resaka fifidianana. Malaza toy ny mahazatra rehefa misy izay resa-pifidianana izay ihany koa ireo karazan-drafitra iangonan’ny

Fanorenana maha very hevitra

Hamaky ny tohiny...

Miandry ny anjara masoandrony

15/09/2020

Mbola tsy hita be eny ihany, hoy ny mpanao politika iray izay, ny hiafaran’ity resaka Coronavirus eto Madagasikara ity.

Miandry ny anjara masoandrony

Hamaky ny tohiny...

Hanome sa omena lesona ?

14/09/2020

Kizarazara etsy, fitokatokanana eroa, fampantenana mitosaka na aiza na aiza aleha,…

Hanome sa omena lesona ?

Hamaky ny tohiny...

Ho loza raha tsy mitandrina

11/09/2020

Tsy hita be ihany izay lalana hizoran’ity firenentsika ity. Toa efa afa-bela amin’ny valanaretina, kanefa mampanahy ny zava-misy hoe: tena efa tafavoaka ny ala tokoa ve?

Ho loza raha tsy mitandrina

Hamaky ny tohiny...


Edito

Tsy vonon-kiova

18/07/2020

Izahay izao no eto, hoy ilay tompon’andraiki-panjakana iray izay nialoha kelin’ny niandohan’izao fipariahana valanaretina eto Madagasikara izao. Toa

voambolana efa heno fahagola izany saingy ny fomba nanononana sy nandrafetana azy fotsiny angamba no misy maha samihafa kely. Tsy mba misy tantara mety mitohy mihitsy eto amin’ity firenena ity fa fiverenana tantara mampahantra hatrany no hita sy iainana hatramin’izao. Iny izao dia nisy vakoka may indray teto amin’ny tany sy ny firenena. Nisy mpanao politika malaza nosamborina koa nifanindran-dalana tamin’izay. Inona moa no tena maha samihafa be iny nitranga tamin’ny 15 jolay 2020 iny sy ny 6 novambra 1995 izay nahamay ny rovan’Antananarivo? Hita ho tsy vonon-kiova mihitsy izany isika na eo amin’ny fanatsarana ny fiarahamonina na eo amin’ny fanaovana politika. Tamin’ny andron’ny Ntaolo no nihatra sy tena rehareha izany soatoavina antsoina hoe Fihavanana izany saingy ankehitriny kosa dia efa naman’ny vakoka fehy vakoka ara-kolontsaina sisa. Tononina isan’andro saingy na ny dikany sy ny nahatonga ny fiantsoana azy ho izay aza angamba azo isaina ireo tena mahalala ny fotony. Efa lasa ny valifaty politika isak’izay mahazo fitondrana sy fahefana izany izao no lamaody. Vao nanomboka anefa ny hahamehana ara-pahasalamana dia tsy nisy izay tsy niantsoantso ny amin’ny tokony hampitsaharana izany adilahy politika izany na olon-tsotra na mpanohitra, eny, hatramin’ny mpitondra aloha fa mba hifantoka amin’izay handresena haingana ity valanaretina miparitaka ity. Firifiry anefa, tao anatin’izao ahamehana ara-pahasalamana izao fotsiny, ireo olona politika sy olona nenjehina noho ny antony politika nadoboka am-ponja? Fitondran’iza no tena tompondakan’izany fanenjehana izay tsy mitovy fijery politika aminy izany nanomboka ny tetezamita 2009 no ho nankaty? Hampandroso ilay firenena tokoa ve no tanjona sa hifanenjika eto amin’ny firenena?

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana