Dans la mme rubrique

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 no maty tao anatin’ny herinandro

14/09/2020

Olona 2 no namoy ny ainy tao anatin’ny 48 ora, ka 01 tany SAVA ny sabotsy teo, ary 01 hafa tany DIANA omaly alahady, araka ny tatitry nataon’ny Pr Vololontiana Hanta. 210 no namoy ny ainy hatramin’izay,

Coronavirus 9 no maty tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 110 indray no voasazy

14/09/2020

Na dia efa miha mihena hatrany aza ireo olona lasibatry ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika dia mbola tsy foana tanteraka ny aretina.

Tsy fanajana fepetra Olona 110 indray no voasazy

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 104 indray voa, 02 maty

11/09/2020

Niampy roa indray ny matin’ny coronavirus, ka iray avy ny tany Matsiatra Ambony sy Diana, nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay ho 208, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 104 indray voa, 02 maty

Hamaky ny tohiny...

Fifandrifian-javatra sa … Hivoaka ny CVO gélule, mitombo ny trangana Covid-19

11/09/2020

Ny alahady 6 aogositra teo no nilazan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa hivoaka afaka tapa-bolana raha ela indrindra ny CVO+ na ny CVO amin’ny endriny “gélule”

Fifandrifian-javatra sa … Hivoaka ny CVO gélule, mitombo ny trangana Covid-19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Masoivoho Frantsay “Mbola ho mafy ny ady ao anatin` ny herinandro maro”

15/07/2020

Voarara ny hetsika famoriana olona araka ireo fepetra ara-pahasalamana, ka tamin` ny alalan` ny tranonkalan` ny masoivoho Frantsay sy ny tambajotra serasera no nanarahana ireo kabary samihafa ny fetim-pirenena fratsay omaly 14 jolay.

 

 

 Nitondra teny fankaherezana ho an` ireo fianakaviana namoy havana na tany Frantsa na teto Madagasikara na maneran-tany noho ny valanaretina COVID-19 ny ambasadaoro Christophe Bouchard. Nankahery ihany koa ireo mpiasan` ny fahaslaamana ny tenany izay miady mafy ary lohalaharana amin` ny valanaretina. Nitondra hafatra ho an` ireo teratany frantsay sy ireo mizaka ny zom-pirenena frantsay izy ka nilazany fa mbola sarotra ny ady amin` ny aretina ary mbola haharitra herinandro maro izany. Miantso fahamailoana amin` ny fiarovan-tena sy fanajàna ireo toromarika napetraky ny fanjakana Malagasy ny masoivoho frantsay, Christophe Bouchard, nandritra ny lahateniny tetsy Ivandry omaly.

 Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana