Dans la mme rubrique

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Jean Marc Koumba « Efa sitrana aho »

15/07/2020

Ny 3 jolay lasa teo no nanao fitiliana coronavirus i Jean Marc Koumba, ilay lehilahy ranjanana mpiambina ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana taloha, ary lasa mpiambina an’Atoa Naina Andriantsitohaina ben’ny tanànan’Antananarivo taorian’ny fakana an-keriny nahazo ny zanak’ity farany ny desambra 2017.

Ny 4 jolay lasa teo no nivaly ny fitiliana azy teny amin’ny Institut Pasteur, ary voamarina fa voa izy. Nitantara ny zavatra niainany nanomboka tamin’ny fahafantarana fa voa i Jean Marc Koumba izay naneho fa tsy hoe tsy nampoizina, saingy tsy noheverina. Eo ny asa, ny olona nifaneraserana, ny fidinana teny amin’ny fokontany,… Nandamin-tsaina ary niomana tamin’izany izy sy ny vady andefimandriny, indrindra manoloana ny tranga maro voatily sy ny fahafatesana mihitsy tamin’ny toeram-piasany. Natao fitiliana ny ankohonany, saingy niiba avokoa. Nitantara ny nanjo azy, ny toe-batany, izay tsy misy ahiana, saingy manahy ihany tamin’ny ankohonany noho ny soritr’aretina toy ny kohaka madinika, fanaviana,…Nitsabo tena an-trano i Koumba ary nilaza fa efa sitrana araka ny fanamarihana nataon’ny mpitsabo taminy. Nanao antso avo mba ho mailo hatrany i Jean Marc Koumba, ary nitondra fampiononana ho an’ny fianankavian’ny namoy ny ainy rehetra. Nidera sy nankahery ny ezaka ataon’ny mpitsabo amin’ny famonjena ny ain’ny marary.

L

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana