Dans la mme rubrique

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 no maty tao anatin’ny herinandro

14/09/2020

Olona 2 no namoy ny ainy tao anatin’ny 48 ora, ka 01 tany SAVA ny sabotsy teo, ary 01 hafa tany DIANA omaly alahady, araka ny tatitry nataon’ny Pr Vololontiana Hanta. 210 no namoy ny ainy hatramin’izay,

Coronavirus 9 no maty tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 110 indray no voasazy

14/09/2020

Na dia efa miha mihena hatrany aza ireo olona lasibatry ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika dia mbola tsy foana tanteraka ny aretina.

Tsy fanajana fepetra Olona 110 indray no voasazy

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 104 indray voa, 02 maty

11/09/2020

Niampy roa indray ny matin’ny coronavirus, ka iray avy ny tany Matsiatra Ambony sy Diana, nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay ho 208, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 104 indray voa, 02 maty

Hamaky ny tohiny...

Fifandrifian-javatra sa … Hivoaka ny CVO gélule, mitombo ny trangana Covid-19

11/09/2020

Ny alahady 6 aogositra teo no nilazan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa hivoaka afaka tapa-bolana raha ela indrindra ny CVO+ na ny CVO amin’ny endriny “gélule”

Fifandrifian-javatra sa … Hivoaka ny CVO gélule, mitombo ny trangana Covid-19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Depiote Tsabotokay Honoré « Tena nanasitrana ahy ny CVO »

15/07/2020

Nanambara ny fahasitranany tamin’ny aretina Covid19 tao amin’ny pejiny facebook i Tsabotokay Honoré, solombavam-bahoaka IRD voafidy tao Vohipeno, Faritra Vatovavy Fitovinany.

 

 

Tao amin’ny hopitaly Andohatapenaka no nitsaboana azy. Nijoro vavolombelona ny tenany fa tena nanasitrana ahy tokoa ny CVO na tambavy Covid Organics. CVO ihany koa hoy i Tsabotokay Honoré no nahasitrana ny zanany lahimatoa sy ny vinantony. Tamim-pahatokisana no nilazan’ity parlemantera ity fa ny fisotroana CVO no tsy nahavoa ny Covid19 ny vadiny sy ny mpamiliny izay isany nikarakara azy tamin’ny fotoana nitsaboany tena. Tamin’ny facebook no nanaovan’ny Depiote Tsabotokay Honoré fanambarana ny 2 jolay 2020 fa « marary ary natao test Covid19 ». Ny alahady 12 jolay 2020 ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no nampahafantatra fa 11 tamin’ireo solombavam-bahoaka natao fitiliana no voan’ny Covid19, na tsy nambara aza hoe : iza avy izy ireo. Covid19 ihany koa no nambaran’ny filoha fa nahavoa ka nitarika ny fahafatesan-dRakotomalala Lucien, solombavam-bahoaka IRD voafidy tao Morombe, Faritra Atsimo Andrefana.

Jean D.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana