Dans la mme rubrique

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 no maty tao anatin’ny herinandro

14/09/2020

Olona 2 no namoy ny ainy tao anatin’ny 48 ora, ka 01 tany SAVA ny sabotsy teo, ary 01 hafa tany DIANA omaly alahady, araka ny tatitry nataon’ny Pr Vololontiana Hanta. 210 no namoy ny ainy hatramin’izay,

Coronavirus 9 no maty tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 110 indray no voasazy

14/09/2020

Na dia efa miha mihena hatrany aza ireo olona lasibatry ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika dia mbola tsy foana tanteraka ny aretina.

Tsy fanajana fepetra Olona 110 indray no voasazy

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 104 indray voa, 02 maty

11/09/2020

Niampy roa indray ny matin’ny coronavirus, ka iray avy ny tany Matsiatra Ambony sy Diana, nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay ho 208, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 104 indray voa, 02 maty

Hamaky ny tohiny...

Fifandrifian-javatra sa … Hivoaka ny CVO gélule, mitombo ny trangana Covid-19

11/09/2020

Ny alahady 6 aogositra teo no nilazan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa hivoaka afaka tapa-bolana raha ela indrindra ny CVO+ na ny CVO amin’ny endriny “gélule”

Fifandrifian-javatra sa … Hivoaka ny CVO gélule, mitombo ny trangana Covid-19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Antananarivo sy Antsirabe 2 indray no matin’ny Covid-19

15/07/2020

Niampy 2 ny namoy ny ainy vokatry ny coronavirus, nampiakatra ho 39 ireo namoy ny hatramin’izay. Raiamandreny am-panahy dia ny Filohan’ny Fiangonana FLM teo aloha ny iray,

 

 

 

 ary Talem-paritry ny Minisiteran’ny rano any Vakinankaratra ny iray, izay olona voalohany namoy ny ainy tany amin’io faritra io. 263 ihany ny tranga vaovao, ka 252 teto amin’ny Faritra Analamanga, 01 Bongolava, 01 Atsinanana, 04 Analanjirofo, 1 tany Port Berger ao anatin’ny Faritra SOFIA, 02 Faritra Atsimo Andrefana (Toliara), 01 Faritra Matsiatra Ambony, 01 Faritra Ihorombe (Ihosy). Fitiliana 560 no nahazoana ireo tranga vaovao 265 izay manome taham-pahavoazana 46,96% izany hoe ny antsasa-manila latsaka kely tamin’ny olona notiliana voa avokoa. Mitotaly 5343 ireo trangana coronavirus hatramin’izay izay, izay manome taham-pahavoazana 17,75% mitaha amin’ny fitiliana 30 100 vitantsika hatreto. 2646 (49,52%) no sitrana, ka 152 amin’ireo no omaly (03 Hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka, 01 Hopitaly Fenoarivo, 04 Moramanga, 01 Hopitaly Analakininina Toamasina, 01 Hopitaly Andrainjato Fianarantsoa, 01 Hopitaly Toliara, ary ny 141 olona notsaboina tany an-tranony avokoa). 2658 (49,74%) kosa mbola manaraka fitsaboana, ka 45 ny "formes graves" izay nihena 14 mitaha amin’ny afak’omaly. 42 amin’ireo ato anatin’ny Faritra Analamanga (30 Hopitaly Befelatanana, 03 CHU Anosiala, 05 Hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka, 03 Hopitaly Fenoarivo, 01 Hopitaly Ambohimiandra, 02 Antsirabe, 01 Toliara. Niakatra ho eo amin’ny laharana faha-92 maneran-tany isika amin’ny isan’ny olona voa, raha faha-96 teo aloha. 1 086 isaky ny olona iray tapitrisa ny salan’isan’ny fitiliana, raha 2 975 i Mauritanie, 1096 i Guinée, 4 112 I Kenya, 22 385 I Gabon, 183 294 i Nigeria.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana