Dans la męme rubrique

Fanesoana manara-penitra

30/09/2020

Ny atao ihany no atao fa izay hipoahany ihany no hirehetany. Na iza faly na iza tezitra tsy maintsy miroso amin’ny heveriny fa nofinofy tiany hotanterahina ny Fanjakana ankehitriny.

Fanesoana manara-penitra

Hamaky ny tohiny...

Miandry foana

29/09/2020

Tsy misy azon’ny Malagasy atao afa-tsy ny miandry aloha izany hatreto, raha ny fehin’ny fanehoan-kevitr’ireo mpiaradia sy mpanaradia ny fitondrana ankehitriny. Mbola tsy ampy telo taona akory, hono,

Miandry foana

Hamaky ny tohiny...

Poizina

28/09/2020

Poizina ho an’ny fanjakana iray rehefa ny Mpitondra no mihevi-tena ho mafy sy matanjaka ka tsy te hahalala ny hevitry ny hafa intsony amin’ny fitantanana firenena.

Poizina

Hamaky ny tohiny...

Fanorenana maha very hevitra

22/09/2020

Malaza indray ankehitriny ny resaka fifidianana. Malaza toy ny mahazatra rehefa misy izay resa-pifidianana izay ihany koa ireo karazan-drafitra iangonan’ny

Fanorenana maha very hevitra

Hamaky ny tohiny...

Miandry ny anjara masoandrony

15/09/2020

Mbola tsy hita be eny ihany, hoy ny mpanao politika iray izay, ny hiafaran’ity resaka Coronavirus eto Madagasikara ity.

Miandry ny anjara masoandrony

Hamaky ny tohiny...

Hanome sa omena lesona ?

14/09/2020

Kizarazara etsy, fitokatokanana eroa, fampantenana mitosaka na aiza na aiza aleha,…

Hanome sa omena lesona ?

Hamaky ny tohiny...

Ho loza raha tsy mitandrina

11/09/2020

Tsy hita be ihany izay lalana hizoran’ity firenentsika ity. Toa efa afa-bela amin’ny valanaretina, kanefa mampanahy ny zava-misy hoe: tena efa tafavoaka ny ala tokoa ve?

Ho loza raha tsy mitandrina

Hamaky ny tohiny...


Edito

Ny omaly tsy miova

13/07/2020

Samy niandry izay ho valan-dresaky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny vahoaka Malagasy omaly hariva.

 

 

Zava-dehibe ny fanehoana, fa miasa sy manao ny ezaka amin’izao ady lehibe hatrehina izao ny mpitondra. Tsy miala amin’ny fomba firesany, miezaka manenjika ny hafa, tsy manaiky ny mety ho fahadisoany,.... Ny fitanisana ny heveriny fa fahadisoana sy azo hanenjehana ny teo alohany no entiny manadio ny tenany. Fampiombonana, vahaolana mivaingana no andrasana saingy mbola miharihary hatrany ny finiavana handoka tena, handoka ny fanjakana tarihina ho tena manao ny mety sy ny tsara. Ny kabary sy dokam-barotra tsy miala mihitsy. Matoa mandeha ny kihana samihafa, dia misy zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy ao. Tsy mila mandoka tena, tsy mila manao dokam-barotra, tsy mila manaratsy ny hafa,… ny Filoha sy ny ekipany dia manaraka azy ho azy eo ny vahoaka raha tena mety sy araka ny filan’ny Malagasy ny tolotra omen’ny fitondram-panjakana ny valalabemandry. Tsy propagandy intsony no ilaina sy hakana ny fon’ny vahoaka fa miainga amin’ny asa atao ho famahana ny olany, ny fahitsiana sy mangarahara asehon’ny fanjakana,… Ny teny, toy ny salaka, hoy ny fomba fitenintsika Malagasy, ka ny tena ihany no hafatony. Matetika no handrenesana teny mifanohitra ambara, ka hafa no lazaina anio, ary hafa rahampitso, hany ka tsy mino intsony ny olona. Hafa no lazain’ny tena, ary hafa no lazain’ny ekipa ao anaty fanjakana, toy ny resaka fiara nandanian’ny fanjakana vola araka ny tenin’ny Filoha omaly, kanefa ny minisitra ao anaty governemantany nandany rora niaro fatratra ny fanjakana fa tsy novidiana izany ireo fiara tsy mataoho-dàlana be dia be ampiasaina amin’ny coronavirus. Na nohabadoina hatry ny ela aza ny vahoaka Malagasy dia inoana fa mba afaka mandanjalanja ireny resaka samihafa ireny. Manaraka sy mankatoa ny mpitondra ho azy, raha tena mijery ny mahasoa ny valalabemandry ny mpitondra, madio fo, mahitsy, mangarahara, tsy mivadibadi-dela, mahalala ny marary ny valalabemandry,…

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana