Dans la mme rubrique

Laboratoara LA2M Efa nahavita fitiliana singa 10.816 isa

11/08/2020

ahatratra 10.816 hatreto ny fitiliana vitan’ny laboraotoara la2m eny androhibe analamahitsy raha araka ny fanazavan’ny profesora zely

Laboratoara LA2M Efa nahavita fitiliana singa 10.816 isa

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 3 maty, 116 tranga vaovao

11/08/2020

Olona miisa 3 teto amin’ny Faritra Analamanga indray no lavon’ny Covid-19, ka nampiakatra ny isan’ny maty hatramin’izay ho 151, araka ny tatitra nataon’ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 3 maty, 116 tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Manahy momba ny covid-19 Ravalo “Mbola tsy tratra ny PIC ary mbola hiakatra io”

11/08/2020

Tsisy fototr’antontan’isa mazava niaingana nilazana fa tratra amin’ny volana aogositra ny PIC na isa ambony indrindra amin’ny olona voan’ny covid-19, hoy i Marc Ravalomanana.

Manahy momba ny covid-19 Ravalo “Mbola tsy tratra ny PIC ary mbola hiakatra io”

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

10/08/2020

Namoaka fanambarana ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka fa maro ireo toeram-pitsaboina sy hopitaly tsy miankina milaza fa manao fitiliana momba ny valanaretina Covid 19.

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

10/08/2020

148 ny maty, kanefa na iray aza dia marary izany, ka ny tambavy CVO no nambaran’ny Filoha, fa nahafaha-nifehy ny fidangan’ny fahafatesana. 1 890 051 ny CVO “Pack familial” nozaraina nanerana ny Nosy,

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

10/08/2020

Olona 13 no lavon’ny coronavirus tao anatin’ny 48ora farany satria 6 ny sabotsy teo (03 Analamanga, 02 Vakinankaratra, 01 Matsiatra Ambony), ary 7 kosa omaly alahady (05 Analamanga, 01 Betsiboka, 01 Matsiatra Ambony).

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

10/08/2020

Tonga omaly 9 aogositra 2020 teny amin'ny seranam-piaramanidina Bani Ivato ny fiaramanidina nitondra ny andiany voalohany tamin'ireo "concentrateurs d'oxygène" sy ireo "lunettes nasales à oxygène".

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fanasana tanana Fihetsika tsotra, mahavonjy aina

10/07/2020

Fihetsika faran’izay tsotra kanefa adinodino misy fotoana ny fanasana tanana.Ny nahazatra ny ankamaroan’ny oona hatrizay dia ny hoe manasa tanana rehefa hisakafo, na avy any amin’ny trano fivoahana ,

na avy niasa ka nikitika zavatra maro, mazava ho azy manasa tanana ihany koa rehefa mandro.Tsy dia nisy toromarika be hoe ahoana sy ahoana azon’ny besinimaro fa dia hoe manasa tananamadio tsara amin’ny savony ; efa nisy ihany aloha tetikasa efa hatry ny ela niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany natokana amin’ny fampianarana manasa tanana izay niantefa bebe kokoa tamin’ny mpianatra.Tato anatin’ny efa-bolana kosa izao, hatramin’ny nisian’ny Coronavirus na Covid 19 dia tena nafotaka ny fanentanana, fampianarana, dokam-barotra momba ny fanasana tanana.Manasa tanana matetika, isaky ny adin’ny iray raha tratra, mampiasa savony, kosehana tsara , maharitra 40 segondra.Napetraka ho fahazarana ny manasa tanana matetika, mba hisorohana ny fiparitahan’ny coronavirus.Fihetsika tena tsotra, tsy hoe mila vola be, kanefa tena mahavonjy aina. Tsy amin’izao vanim-potoana misy valanaretina izao ihany no mila manasa tanana amin’ny fomba manarapenitra fa mandritra ny fiainana iray manontolo, hoy ny dokotera.Voaloham-pahasalamana ny fahadiovana, tena miasa ny tanan’olombelona satria io no handraisana sy hifanolorana zavatra, io no mampiditra ny sakafo anya m-bava, io no hifampiarahabana sy hifampisafosafoana ….tena miasa be ka noho izany mila fitandremana be, hoy hatrany ny mpitsabo.Tsy mbola resy aloha hatreto ny Covid 19, manana anjara andrakitra ny tsirairay fa tsy hoe miandry dokotera ssy fitondram-panjakana foana.Zava-dehibe ny fisorohana ka lohalaharana amin’izany ny fahadiovana amin’ny alalan’ny fanasana tanana.

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana