Dans la mme rubrique

Laboratoara LA2M Efa nahavita fitiliana singa 10.816 isa

11/08/2020

ahatratra 10.816 hatreto ny fitiliana vitan’ny laboraotoara la2m eny androhibe analamahitsy raha araka ny fanazavan’ny profesora zely

Laboratoara LA2M Efa nahavita fitiliana singa 10.816 isa

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 3 maty, 116 tranga vaovao

11/08/2020

Olona miisa 3 teto amin’ny Faritra Analamanga indray no lavon’ny Covid-19, ka nampiakatra ny isan’ny maty hatramin’izay ho 151, araka ny tatitra nataon’ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 3 maty, 116 tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Manahy momba ny covid-19 Ravalo “Mbola tsy tratra ny PIC ary mbola hiakatra io”

11/08/2020

Tsisy fototr’antontan’isa mazava niaingana nilazana fa tratra amin’ny volana aogositra ny PIC na isa ambony indrindra amin’ny olona voan’ny covid-19, hoy i Marc Ravalomanana.

Manahy momba ny covid-19 Ravalo “Mbola tsy tratra ny PIC ary mbola hiakatra io”

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

10/08/2020

Namoaka fanambarana ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka fa maro ireo toeram-pitsaboina sy hopitaly tsy miankina milaza fa manao fitiliana momba ny valanaretina Covid 19.

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

10/08/2020

148 ny maty, kanefa na iray aza dia marary izany, ka ny tambavy CVO no nambaran’ny Filoha, fa nahafaha-nifehy ny fidangan’ny fahafatesana. 1 890 051 ny CVO “Pack familial” nozaraina nanerana ny Nosy,

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

10/08/2020

Olona 13 no lavon’ny coronavirus tao anatin’ny 48ora farany satria 6 ny sabotsy teo (03 Analamanga, 02 Vakinankaratra, 01 Matsiatra Ambony), ary 7 kosa omaly alahady (05 Analamanga, 01 Betsiboka, 01 Matsiatra Ambony).

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

10/08/2020

Tonga omaly 9 aogositra 2020 teny amin'ny seranam-piaramanidina Bani Ivato ny fiaramanidina nitondra ny andiany voalohany tamin'ireo "concentrateurs d'oxygène" sy ireo "lunettes nasales à oxygène".

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus 209 indray voa teto Antananarivo

10/07/2020

Niampy 209 ireo mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isan’ny voa hatramin’izay ho 3787, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly 9 jolay 2020.

 

  Avy eto Antananarivo avokoa ireo olona rehetra 209 vaovao voa ireo satria tsy nahitana tranga vaovao ny fitiliana 14 natao tany Toamasina. Tsy dia nahitana tranga firy intsony tany Toamasina tato ho ato, ary midangana hatrany ny eto Antananarivo. Fitiliana miisa 573 no nahazoana ireo tranga 209 ireo, izay manome taham-pahavoazana 36,47%, azo ambara ho ambony dia ambony. Nisy 189 vaovao sitrana ihany koa tetsy andaniny, ka nampiakatra ny isan’izy ireo ho 1950, izay manome taha 51,49%. Teto Antananarivo ny 172 tamin’ireo sitrana (04 Hopitaly Befelatanana, 01 CHU Anosiala, 168 tany an-trano), 16 tany amin’ny Faritanin’I Toamasina (01 Faritra Alaotra Mangoro, 15 tany an-tranony). 1799 mbola manaraka fitsaboana izay manome taha 47,50%. Miisa 50 ny marary mafy na "formes graves" izay nisy fihenany 3 (26 Hopitaly Befelatanana, 14 CHU Anosiala, 08 Hopitaly, Manarapenitra Andohatapenaka, 01 Hopitaly Fenoarivo, 01 Hopitaly Andrainjato Fianarantsoa) izany hoe tsy ahitana intsony any Toamasina sy Antsirabe.

“NEGATIF” NY FITILIANA

Mijanona ho 33 ny aina nafoy hatreto, ary tsy nisy ny olona vaovao. Niteraka resabe ny mahakasika ny depiote Rakotomalala Lucien izay nodimandry sy voalaza fa covid-19 no nitarika ny fahafatesany. Naneho moa afak’omaly ny Jeneraly Rakoto Fanomezantsoa Talen’ny HOMI Soavinandriana, fa isan’ireo marary 6 tao anatin’ny “formes graves” noraisina an-tànana tao an-toerana io solombavambahoaka namoy ny ainy io. Ny fahafahatesana hoentintsika leto, dia ireo lavo voaisa ao anatin’ny tranga “positif” tamin’ny fitiliana PCR, hoy ny Pr Vololontiana Hanta. Matoa tsy nentina teto dia “negatif” ny fitiliana PCR natao azy. Nanamafy an’io ihany ny Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Tsy voaisa tao anatin’ny olona voa izy satria na nisy soritr’aretina aza satria “negatif” ny valin’ny fitiliana, hoy io Minisitra io.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana