Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

 Tena nanao fizarana faobe izahay mialoha ny nanomezana ny tany ivelany. Safidy ny natao fa nisy ny tsy nety nandray, hoy ny minisitry ny serasera Lalatiana Andriatongarivo omaly tamin’ny fandaharana manokana nataon’ireo mpikamban’ny goverenemanta. Izy no niantefan’ny fanontaniana mahakasika ny kihana fa tsy mahomby io, kanefa ny minisitry ny fahasalamana no vahiny niteny voalohany tsy nametrahana an’ilay fanontaniana hoe: tena mahomby ve io? Tsy niresaka na kely monja ity resaka tambavy ity ny minisitry ny fahasalamana, kanefa lojika kokoa raha izy no nitondra fanazavana ara-tsiantifika. Hisy indray ny fizarana maimaimpoana, hoy ny minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy, izay niresaka ihany koa fa natao ho amin’ny vidiny takatry ny rehetra satria 1500Ar ny tavoahangy. Ny 90 sy 95% tamin’ny olona notsaboina sy sitrana dia tamin’ny alalan’ny CVO avokoa, hoy i Lalatiana Andriatongarivo. Misy ny tsy afaka misotro azy toy ireo diabetika, misy tosi-drà. Tsy voatery handaitra 100% satria misy efa potika be ny taovam-pisefoana vao hita ilay aretina na manantona tobim-pahasalamana. Tsy hoe tsy mandaitra akory ny CVO fa misy antony hafa mahatonga ny olona mety tsy ho avotra intsony ny ainy. Maro no sitrana ary izaho mahafantatra olona maro narary mafy sitrana, hoy i Lalatiana Andriatongarivo. Hiverina ny fitsinjarana ny CVO amin’ny endriny vovony ho an’ireo toerana tena be marary, hoy io minisitra io. Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana