Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

 

 

 mba hahafahana manapaka ireo fepetra ho raisina manoloana ny fitomboan` ny isan` ireo tranga voamarina mitondra ny tsimok`aretina COVID-19 ary indrindra ho an` Antananarivo. Noho izany mandritra ny 15 andro dia miverina mihiboka Antananarivo. Mikatona manomboka anio 06 jolay ka hatramin’ny alatsinainy 20 Jolay 2020 ary tsy azo hivezivezena na mivoaka na miditra ato anatin’ny faritra Analamanga. Misokatra mandritra ny tontolon’ny andro ny fivarotam-panafody rehetra. Misokatra ireo toerana fivarotana ny zavatra ilaina andavanandro ka olona 1 ihany isan-tokantrano no mahazo mivoaka amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora maraina ihany. Nanapaka ihany koa ny filankevitry ny minisitra fa foana avokoa ny fanomezan-dalana manokana rehetra ary tsy misy olona mahazo fahazoan-dàlana intsony na iza na iza. Mba hahafahana mitondra ny marary na mamonjy toeram-pivarotam-panafody na toeram-pitsaboana dia ny taxi ihany no omena alàlana hiasa saingy olona 3 ihany no entiny, mampiasa ny gel tsy maintsy manao désinfection isan’andro. Mahazo mivezivezy kosa ireo fiara mpitatitra entana. Ankoatra izay, miato avokoa ny fampianarana rehetra eto Analamanga. Mikatona avokoa ny sekoly rehetra manerana ny faritra Analamanga. Holazaina amin’ny fotoana manaraka ny daty hanaovana ny fanadinana. Mizara moa ny hevitry ny Malagasy mahakasika ny fanapahan-kevitra noraisin`ny fitondram-panjakana. Misy no mankasitraka izany na dia tara aza izany . Misy kosa no mitsipika izany manoloana ny vesatry ny fahantrana. Miankina amin'ny fivoaran'ny toe-draharaha ara-pahasalamana ny fiovan'ny fepetra.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana