Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

 

Montsana avokoa ny antontan’isa rehetra na teo amin’ny tranga vaovao na teo amin’ny isan’ny maty. Raha 109 ny tranga ny zoma 3 jolay, dia nahatratra 216 ny sabotsy teo (209 Antananarivo, 2 Toamasina, 2 Moramanga), ary 213 kosa ny alahady (205 Antananarivo ka 197 Faritra Analamanga ary 08 Faritra Vakinankaratra, 04 Toamasina, 04 Fianarantsoa). Tafiakatra 3 ihany koa ny namoy ny ainy ny sabotsy, ary 3 ihany koa ny alahady izay isa ambony indrindra ihany koa ireo, ka nampiakatra ny isan’ny maty ho 32. Nahatratra 418 ny voa ary 6 no maty tao anatin’ny 48 ora.

Lohalaharana Antananarivo

Teto amin’ny Faritanin’Antananarivo avokoa ny 406 tamin’ny tranga vaovao 418. Miisa 24 530 ny fitiliana rehetra vita ary 2941 ireo voa hatrizay, izay manome taham-pahavoazana 11,98%. 1108 ny sitrana ka 30 ny vaovao omaly, ary 1801 ny mbola manaraka fitsaboana izay manome salan’isa 61,23% mitaha ny tranga hatrizay. Miisa 33 ireo marary mafy izay nitombo roa (18 Befelatanana, 04 Andohatapenaka, 09 CHU Anosiala, 01 Antsirabe, 01 Morafeno Toamasina, 01 Analakininina Toamasina). Tena tsy voafehy ny valanaretina, hipoka ny hopitaly ka mandeha ny fitadiavana toerana vaovao hahafahana mandray ny marary. Zava-doza ny fitomboan’ny voa satria mety tsy ho araka ny fandraisana an-tànana ireo marary, ka mampitombo ny isan’ny marary mafy sy ny maty. Mbola fanontaniana mipetraka ny hoe ampy ve ny fitaovana toy ireo manampy amin’ny fisehoana dia ny “réspirateur” sy ny “oxygène”?

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana