Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

03/07/2020

Olona roa indray no namoy ny ainy nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay teto Madagasikara ho 24 hatreto.

 

 

 

 

1,5 isan’andro ny salan’isan’ny olona namoy ny ainy nanomboka ny alatsinainy 29 jona teo ka hatramin’ny omaly alakamisy 2 jolay, izany hoe olona 6 no matin’ity valanaretina ity tao anatin’ny 4 andro rah any fampitam-baovao ofisialy. Olona 265 no voamarina fa voa tao anatin’ny 4 andro monja, ka ny omaly fotsiny no 100 be izao iray andro, nampiakatra ny isa manontolo ho 2403. Ny 52 tamin’ireo 100 ireo avy eto Antananarivo Antananarivo avokoa, 01 avy any Analanjirofo, 01 Ambatondrazaka, 01 Fianarantsoa, 01 Ambositra, ary tsy nomena ny toerana misy ireo 44 hafa. Niampy 34 ireo sitrana, ka tafakatra ho 1040 ny isan'izy ireo izay manome salan’isa 43,27%. Miisa 1339 ireo mbola manaraka fitsaboana izay manome 55,72%. Miisa 28 ny marary mafy na “forme grave” izany hoe nisy fihenany 6 mitaha amin’ny afak’omaly. Mitombo andro aman’alina ny voa, tsy mifidy saranga intsony fa lasibatra hatramin’ny olona ambony heverina ho tsara aro. Fihetsika kely tsy voatandrina dia mety hahavoa satria efa notaterina teto, fa mety haharitra hatramin’ny 3 na 4 andro ny tsimokaretina arakaraka ny toerana hipetrahany, ka tokony ho mailo mandrakariva sy manaja ireo fepetra.Tazana ihany mantsy eny an-dalambe sy any anaty tanàna fa tena mbola maro ny olona tsy manao arotava, mifampitakosona, mivorivory, mety tsy voahaja akory anefa ilay hoe manasa Tanana amin’ny savony matetika na mampiasa gel hydroalcoolique.Ny andro mangatsiaka ankehitriny izao dia efa nambaran’ny manampahaizana fa manamora ny fiparitahan’ny Covid 19, ka tena mila mailo ny tsirairay fa ny olona 1 voa  rehefa miitatra dia mety ho lasa olona 100.Dia io iaraha-mahita io ny tarehimarika.Efa mitombo rahateo moa ny isan’ny fitiliana atao isan’andro.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana