Dans la mme rubrique

Naina Andriantsitohaina “ Lazao fa mpandainga aho fa tsy olana…”

30/09/2020

Nafana ny resaka nandritra ny fanokafana ny fivorian’ny mpanolotsain’ny kaominina Antananarivo natrehin’ny ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina omaly.

Naina Andriantsitohaina “ Lazao fa mpandainga aho fa tsy olana…”

Hamaky ny tohiny...

Avaradrano Vita ny lalana amina kaominina maro

30/09/2020

Nanao fitsidihana ara-teknika tany amin'ireo asa rehetra nataon` ny ekipan'ny Faritra Analamanga omaly tany amin` ny distrikan` Avaradrano.

Avaradrano Vita ny lalana amina kaominina maro

Hamaky ny tohiny...

Orinasa AAA Efa nihoarana lavitra ilay fanakatonana 15 andro

30/09/2020

40 andro mahery izay no nanombohan’ny fanakatonana ny orinasa AAA niainga tetsy Behoririka ny 19 aogositra, nitohy tany Toamasina ny 27 aogositra, Andranomanelatra ny 01 septambra, ary tany Fianarantsoa ny 02 septambra.

Orinasa AAA Efa nihoarana lavitra ilay fanakatonana 15 andro

Hamaky ny tohiny...

Régis Ramamonjisoa “Efa te hitroatra ny vahoaka”

30/09/2020

Matoa ny zava-misy ankehitriny miha mafana dia misy mampirehitra, hoy ny filoha lefitry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, sampana Mahajanga, Régis Ramamonjisoa.

Régis Ramamonjisoa “Efa te hitroatra ny vahoaka”

Hamaky ny tohiny...

Demokrasia sy ny fampandrosoana Mikatri-doha ireo Parlemantera SADC

30/09/2020

Mandray anjara amin` ny « Forum parlementaire de la SADC » ny solombavambahoakan’i Madagasikara.

Demokrasia sy ny fampandrosoana Mikatri-doha ireo Parlemantera SADC

Hamaky ny tohiny...

VMMF sy raharaha “Ecran plat” “Aoka tsy ho vary mangatsiaka ny fitorianay ”

30/09/2020

Iray volana izay no nametrahanay fitoriana teo anivon’ny Fitsarana avo na HCJ sy ny sampan-draharaha misahana ny kolikoly na PAC mikasika ny raharaha “écran plat” teo anivon’ny CCO, hoy ry zareo avy eo anivon’ny Vovonana Malagasy manarina firenena na VMMF, tetsy Mahamasina omaly.

VMMF sy raharaha “Ecran plat” “Aoka tsy ho vary mangatsiaka ny fitorianay ”

Hamaky ny tohiny...

Politika Rahoviana vao hisy mpanohitra tena ofisialy ?

30/09/2020

Mbola tsy nisy ny mpanohitra ofisialy raha ny tantaran`i Madagasikara no zohina. Raha tamin`ny andron` ny Repoblika faharoa, nampandany ny lalàmpanorenana vaovao tamin’ny desambra 1975 ny filoha Ratsiraka.

Politika Rahoviana vao hisy mpanohitra tena ofisialy ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antenimieram-pirenena Hatsangana ny vaomiera mifandraika amin’ny HCJ

02/07/2020

Fandaharam-potoana tafiditra teo amin` ny Antenimieram-pirenen­a ny fametrahana solontenan` izy ireo eo amin` ny Fitsarana ambony (HCJ). In-droa nahemotra moa ny fananganana ny vaomiera misahana ny fampianganana eny amin`ny HCJ.

 

 

Raha ny 10 jona no tetiandro voalohany dia nahemotra ny 30 jona lasa teo. Tsy tontosa anefa izany ka androany no voafaritra ny hanatanterahina ny fifidianana. Saropady tokoa ity vaomiera ity satria anjaran` ny Antenimieram-pirenen­a ny mahita na tokony hosokafana na tsia ny fanadihadiana amin` ny alalan` io komity manokana io. Raha mahazo ny fankatoavan` ny Antenimieram-pirenen­a izay mandeha avokoa ny dingana amin` ny HCJ hatrany amin`ny fitsarana ireo olona voakasiky ny raharhaha. Maro dia maro rahateo ireo raharaha miandry fitsarana eny anivon` ny HCJ toy ny raharaha “Bonbons 40 miliara”. Tsiahivina ihany koa fa ministra teo aloha miisa 13 no efa nametrahan` ny Fitsarana ambony antontan-taratasy eny anivon` ny Antenimieram-pirenen­a iandrasana ny fankatoavana raha hanaovama fanadihadiana na tsia. Mba tsy ho lasa endrika fotsiny intsony ny HCJ raha tafajoro ity komity manokana ity satria raha mbola mandringa io rafitra io dia tsy voahaja ilay zo iraisam-pirenena kanefa mila mitovy zo ny olo-pirenena eo anatrehan` ny lalàna.
Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana