Dans la mme rubrique

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

30/09/2020

Mitombo isa hatrany ireo olona tsy manao aron-tava intsony eny an-dalana eny.

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

29/09/2020

Tranga vaovao 63 no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, hita tamin’ny fitiliana 404, manome taham-pahavoazana 15,59%.

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

Hamaky ny tohiny...

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

28/09/2020

Olona iray tany amin’ny Faritra Menabe no lavon’ny Covid 19 ny 55 ny sitrana ny sabotsy teo, ary 36 ny tranga azo tamin’ny fitiliana 647 manome taham-pahavoazana 5,56%.

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mararin’ny COVID 19 etsy amin’ny CMC Haraha-maso akaiky ny fiasan’ny fanafodiny

02/07/2020

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny ivon-toerana ara-pahasalamana momba ny COVID 19 etsy Andohatapenaka. Amin’ny ankapobeny dia ahitana toerana natao hitiliana ireo ahiana na manahy ny tenany ho marary,

 

 efitrano hitsaboana miaraka amin’ny fanomezan’aina na “respirateur”, toerana natao hialana voly ihany koa ho an’ireo marary sy zava-maro hafa. Nampahafantarina manokana kosa ny fisian’ny efitrano natao hanaraha-maso ny fiasan’ny fanafody hitsaboana ireo mararin’ity COVID 19 ity ao an-toerana. Fanazavana teknikan’ireo mpitsabo naira-nivory tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tao amin’ity efitrano ity ny fisian’ny mpandrindra sy mpitarika izany na “Promoteur”. Ity farany no manendry ny mpanadihady fototra na “Investigateur principaux” ahafahana manatontosa izay fanaraha-maso izay. Ankoatr’izay moa dia nohamafisina fa hisy ihany koa ireo ivon-toerana avy any ivelany hiara-hiasa amin’ny fanjakana Malagasy mba hampisy fitsaboana manara-penitra ao anatin’izao ahamehana izao. Isan’izany, ohatra, ny siantifika ao amin’ny oniversiten’i Maurice, ny dokotera avy any amin’ny klinikan’i Arizona, Etazonia, sy dokotera avy atsy Thailand ihany koa.
J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana