Dans la mme rubrique

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

30/09/2020

Mitombo isa hatrany ireo olona tsy manao aron-tava intsony eny an-dalana eny.

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

29/09/2020

Tranga vaovao 63 no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, hita tamin’ny fitiliana 404, manome taham-pahavoazana 15,59%.

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

Hamaky ny tohiny...

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

28/09/2020

Olona iray tany amin’ny Faritra Menabe no lavon’ny Covid 19 ny 55 ny sitrana ny sabotsy teo, ary 36 ny tranga azo tamin’ny fitiliana 647 manome taham-pahavoazana 5,56%.

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo Nijoro vavolombelona fa voan’ny Covid-19

02/07/2020

« Nanapa- kevitra aho ny hijoro vavolombelona amin’ny maha mpiasan’ny fahasalamana ny tenako, koa mampahafantatra antsika aho fa nanao ny test Covid 19 ka testé positif.


 Mijoro ho vavolombelona aho ankehitriny satria tao anatin ny fanatanterahana ny asa maha mpitsabo ahy no nahazaoako ny tsimok’aretina ary maro izahay mpitsabo mamonjy ain’olona no tratran’ny tsimok’aretina ankehitriny ». Izay no fanambarana tao amin’ny facebook nataon’ny Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo, minisitry ny fahasalamana tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina,­ fantatry ny ny maro amin’ny hoe : Profesora Lalatiana, isan’ny nandidy tamin’ny nanasarahana an’i Mahalatsa sy Mahagaga, izay roalahy nikambana na « bébés siamois » avy any Androy, tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpiasan’ny fahasalamana hamonjy ny ain’ny marary araka izay eo am-pelatananay nefa mbola misy ny lalana hahatafidiran’ny aretina. Ny anton’izao fijoroana vavolombelona izao, hoy i Pr Mamy Lalatiana dia « ho fampahafantarana antsika fa efa miparitaka tokoa ny aretina ka tokony hitandrina amin’ny fomba rehetra izay nanentanana isika ». Efa manaraka fitsaboana ny tenany ankehitriny. « Ny fomba fijery positif ny olana nohahafahana mifehy ny tranga rehetra na dia mampanahy aza”, hoy ny Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo.

Toky R/ Jean.D

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana