Dans la mme rubrique

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

30/09/2020

Mitombo isa hatrany ireo olona tsy manao aron-tava intsony eny an-dalana eny.

Fepetra ara-pahasalamana Maro ireo efa tsy manao arotava intsony

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

29/09/2020

Tranga vaovao 63 no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, hita tamin’ny fitiliana 404, manome taham-pahavoazana 15,59%.

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

Hamaky ny tohiny...

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

28/09/2020

Olona iray tany amin’ny Faritra Menabe no lavon’ny Covid 19 ny 55 ny sitrana ny sabotsy teo, ary 36 ny tranga azo tamin’ny fitiliana 647 manome taham-pahavoazana 5,56%.

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Sempotry ny covid-19 Iarivo 2 maty, tranga 88 iray andro

02/07/2020

Niampy roa vaovao ny matin’ny coronavirus teto Madagasikara, ka efa 22 ny fitambarany amin’izao fotoana izao. Niampy 89 ireo voa, ka ny 88 teto amin’ny faritra Antananarivo avokoa, 01 tany Vohipeno ao anatin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, faritanin’i Fianarantsoa. Mitotaly 2303 ireo trangana coronavirus hita teto Madagasikara hatrizay.

 

 

 

1006 no sitrana ka 12 ny vaovao (03 Toamasina, 02 Faritra Alaotra Mangoro, 01 Ambatovy,09 Hopitaly Befelatanana. 1275 mbola manaraka fitsaboana. 32 ny "formes graves"  (01 Morafeno Toamasina, 24 Befelatanana, 03 Andohatapenaka, 01 Antsirabe, 03 CHU Anosiala) izany hoe niala 10 mitaha ny afakomaly. Miisa 426 ny fitiliana nahazoana ireo tranga vaovao 89, izany hoe voa avokoa ny 23% eo tamin’ny olona notiliana. 152 ny fitiliana nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka 59 no voa, 33 ny fitiliana tany Toamasina izay tsy nisy voa na iray aza. 243 ny fitilian’ny LA2M, ka 30 ny voamarina fa voa. Mitsimbadika ny isa ankehitriny, ka raha tao Toamasina hatrany no lasibatra teo aloha, dia saika teto Antananarivo ny 90% tamin’ny tranga vaovao tato anatin’ny tapa-bolana. Teo aloha raha ampahafantarina hatramin’ny fokontany na tanàna nahitana ireo tranga vaovao teto Antananarivo, dia toa tsy misy an’izay intsony ny tatitra fa bambaray hoe “teto Antananarivo”. Ny tsy azo lavina, dia miparitaka eto Antananarivo sy ny manodidina ny valanaretina. Hopitalim-panjakana maro toy ny HJRA feno, ny Sampan-draharaham-panjakana toy ny Kaominina Antananarivo efa nisy olona maty, ny Minisitera sasany nahitana olona voa,… Midangana hatrany ny isa na eo aza ny fanenjanana ataon’ny fanjakana, ka mila mailo sy mitandrina mandrakariva.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana