Dans la męme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mpiasan’ny fahasalamana Tsy ampy fitaovana, atahorana hitokona

01/07/2020

Manoloana ny fahafatesana nanjo ny mpiara miasa noho ny COVID ; namana marobe mpiara-miasa voatily fa mitondra ny COVID-1, fitomboan'isan'ireo mpiray tanindrazana voa,

 

 

 tsy mbola fahafenoan'ireo fepetra fototra ahafahana miady am-pitoniana ny valanaretina na dia maro aza ny antso natao tao anatin'izay telo volana mahery izay, dia nivory maika ny solontenan'ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra izay nahitana: Profesora, sendikan'ny dokotera, sendikan’ny Admin, sendikan'ny Paramed, solontenan'ny interne, solontenan'ny mpilatsaka an-tsitrapo,… ka nifanaraka fa hanambatra ny heriny. Tanjona ny mba ahazoana ireo fepetra fototra hoenti-miatrika ny valan'aretina Covid-19, izay tsy afaka misaraka raha tiantsika ny hahafehy io valan'arrtina io, hoy ny fanambarana nampitain’ny Filohan’ny sendikan’ny Paramed eto Madagasikara Paramedy Ralibera. Fiofanana feno ho an'ny mpiasa rehetra, EPI na fitaovam-piarovana ampy sy tonga ara-potoana ho an'ny rehetra, « motivation » na fandrisihana sahaza sy ara-drariny hoan'ny rehetra (considération, prime de risque, indemnité de risque,indemnité de réquisition, recrutement des benevoles,...) no takian’izy ireo. Hisy ny fihaonana amin'ny Minisitera mialohan’ny faran’ny herinandro ka raha tsy misy vahaolana mazava dia hivoaka amin'ny fahanginany amin'izay isika ka hiroso amin'ny fanambarana iraisana ny fianakaviamben'ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra, hoy ny fanambarana. Raha tsy mbola misy ihany ny fandraisan'andraikitra ataon'ny fanjakana dia hihamafy izany hetsika iraisana izany, hoy ny toromarika ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana. Karazana fampitandremana ny fanjakana io, ary ho zava-doza raha sanatria ka tena hanao grevy lavareny tokoa ny mpiasan’ny fahasalamana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana