Dans la mme rubrique

Laboratoara LA2M Efa nahavita fitiliana singa 10.816 isa

11/08/2020

ahatratra 10.816 hatreto ny fitiliana vitan’ny laboraotoara la2m eny androhibe analamahitsy raha araka ny fanazavan’ny profesora zely

Laboratoara LA2M Efa nahavita fitiliana singa 10.816 isa

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 3 maty, 116 tranga vaovao

11/08/2020

Olona miisa 3 teto amin’ny Faritra Analamanga indray no lavon’ny Covid-19, ka nampiakatra ny isan’ny maty hatramin’izay ho 151, araka ny tatitra nataon’ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 3 maty, 116 tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Manahy momba ny covid-19 Ravalo “Mbola tsy tratra ny PIC ary mbola hiakatra io”

11/08/2020

Tsisy fototr’antontan’isa mazava niaingana nilazana fa tratra amin’ny volana aogositra ny PIC na isa ambony indrindra amin’ny olona voan’ny covid-19, hoy i Marc Ravalomanana.

Manahy momba ny covid-19 Ravalo “Mbola tsy tratra ny PIC ary mbola hiakatra io”

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

10/08/2020

Namoaka fanambarana ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka fa maro ireo toeram-pitsaboina sy hopitaly tsy miankina milaza fa manao fitiliana momba ny valanaretina Covid 19.

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

10/08/2020

148 ny maty, kanefa na iray aza dia marary izany, ka ny tambavy CVO no nambaran’ny Filoha, fa nahafaha-nifehy ny fidangan’ny fahafatesana. 1 890 051 ny CVO “Pack familial” nozaraina nanerana ny Nosy,

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

10/08/2020

Olona 13 no lavon’ny coronavirus tao anatin’ny 48ora farany satria 6 ny sabotsy teo (03 Analamanga, 02 Vakinankaratra, 01 Matsiatra Ambony), ary 7 kosa omaly alahady (05 Analamanga, 01 Betsiboka, 01 Matsiatra Ambony).

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

10/08/2020

Tonga omaly 9 aogositra 2020 teny amin'ny seranam-piaramanidina Bani Ivato ny fiaramanidina nitondra ny andiany voalohany tamin'ireo "concentrateurs d'oxygène" sy ireo "lunettes nasales à oxygène".

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Olona matin’ny covid-19 Misy vaovao hafenimpenina?

30/06/2020

Tsy ampy sy tsy fantatra mazava intsony tato ho ato ny mahakasika ireo olona namoy ny ainy noho ny valanaretina coronavirus, fa dia mionona fotsiny amin’ny hoe nisy olona roa na iray namoy ny ainy indray omaly. Teo aloha rehefa misy mamoy ny ainy, dia ambara fa nisy diabeta, ambony ny tosidrà, tsy afaka nisotro tambavy CVO,…

 

 

 

 

Nohalefahana ny serasera sa misy zavatra indraindray hafenina sy tsy hambara mazava ny vahoaka satria mety hanaratsy endrika ny fitondram-panjakana? Somary nanaitra ny fomba fampitana izany tato ho ato, toy ny fisiana mpitsabo iray mpiasan’ny Sampan-draharaha iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS namoy ny ainy, saingy tsy nisy fanazavana izany tamin’ny tatitra ofisialy. Any amin’ny sampan-draharaha iasany no ahalalana ny fisian’ny tranga mampalahelo hoe nisy dokotera namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Tsy natao ho fanomezan-tsiny fahatany ny mpitondra fanjakana, fa ny 14 jona ny Filoha no naneho fa ampy ny fiarovana ho an’ny mpitsabo. Io mbola mitohy anefa io ny fitakian’ny mpiasan’ny fahasalamana fa tsy ampy ny fiarovana, tsy ampy ny fandrisihana,... Io fa misy mpitsabo mamoy ny ainy mihitsy ankoatra ireo mpiasan’ny fahasalamana maro efa voa. Tsy ny fanarontsaronana ny zava-misy no tokony himasoana fa ny famahana ny olana sy fandrisihana hananan’ny mpiasan’ny fahasalamana risi-po amin’ny adidy lehibe iantsorohany.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana