Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Miha tsy araka ny fitsaboana 20 no maty, 48 marary mafy

30/06/2020

Tafiakatra 20 ny olona matin’ny coronavirus eto Madagasikara, ka tao anatin’ny tapa-bolana avokoa ny antsasa-manila.

 

 

 Olona 2 indray no namoy ny ainy afak’omaly. Miakatra ihany koa ny olona sokajiana ho marary mafy sy ahiana ny ainy na ny « forme grave » satria efa 48 izany amin’izao fotoana izao, ka ny 24 dia vaovao avokoa, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Lohalaharana Antananarivo

 Olona 60 vaovao indray no voa, ka 49 tamin’ireo teto Antananarivo, ary 11 kosa tany Moramanga. 21 444 ny fitiliana vita hatrizay, ka manome 9,97% amin’izany ireo 2138 voa rehetra hatrizay. 22 ny sitrana vaovao ka 966 ny fitambarany, izay manome taha 45,18 % 22 vaovao. 1152 (53,88%) no mbola manaraka fitsaboana. Ny 48 no ahiana ny ahiana ny ainy na ao anatin’ny sokajy "formes graves" , ka 01 Morafeno Toamasina, 27 Befelatanana, 16 Andohatapenaka, 02 Antsirabe, 02 CHU Anosiala. Tena miakatra hatrany isa, mitombo ireo marary mafy, mitombo ny maty.

Mbola ampy ve ny fitaovana ?

Tena ampy sy vory fitaovana ve isika? Ilaina ny fitaovana fanampiana amin’ny fisefoana na ny “respirateurs” ho an’ny olona tena marary mafy sy sempotra ka firy amin’io marina no hananan’i Madagasikara? Firy ny fitambaran’ireo novidiana? Ny 1 mey no nisy 33 avy amin’ny Kaomisionin’ny Ranomasimbe Indianina na ny COI. Tena misy sy ampy avokoa ve ny “oxygène” any amin'ireo hopitaly sy toerana handraisana ny marary? Mila manao tatitra sy manome antoka ny fanjakana amin’ny fahampian’ny fampitaovana satria ny tsy fisian’ny “respirateur” sy ny “oxygène” no isan’ny mety hampiakatra ny isan’ny olona maty. Tsy tokony ho olana ny ara-bola. Io iaraha-mahalala io ihany koa ny taraina sy ny grevin’ny mpiasan’ny fahasalamana eo anatrehan’ny tsy fahampian’ny fiarovana. Tena araka ve ny fandraisana an-tànana ny marary mitombo isa? Tena fomba mety sy azo antoka ve ny hahafahan’ny olona voa mijanona hotsaboina any an-tokantrano?

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana