Dans la mme rubrique

VOIFIRAISANA/PFNOSCM “Taraiky loatra ny fiaraha-midinika amin’ireo mpandraharaha”

03/07/2020

“Maro ireo orinasa any amin’ny faritra no tsy afaka miodina intsony, marary tanteraka ny sehatry ny fihariana : ny fitaterana, ny fizahan-tany, ny asa-tànana, ny varotra isan-tsokajiny, …

VOIFIRAISANA/PFNOSCM “Taraiky loatra ny fiaraha-midinika amin’ireo mpandraharaha”

Hamaky ny tohiny...

Fihibohana lavareny Nihena ireo mpanjifa labiera

03/07/2020

Nihena ireo mpanjifa nanjifa ny zava-pisotro THB 65 Cl nandritra ny fihibohana. Mbola mitohy hatramin’izao izany raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra omaly noho ny tsy fahafahan’ireo bar misokatra.

Fihibohana lavareny Nihena ireo mpanjifa labiera

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny banky Mila politika mifanaraka amin` ny sehatra iraisam-pirenena

02/07/2020

Be loatra ny lelavola kirakiraina eto Madagasikara ka be loatra koa ny vola very noho izany. Raha ny tatitry ny IGE (Inspection Generale de l`Etat) amina miliara maromaro ny very any amin` ny sampandraharaha samihafa, any amin`ny ambaratongam-pahefan­a samihafa,

Lalàna mifehy ny banky Mila politika mifanaraka amin` ny sehatra iraisam-pirenena

Hamaky ny tohiny...

LFR 2020 Hafana ny adihevitra anio !

02/07/2020

Ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-pan­jakana nasiam-panitsiana (LFR) taona 2020 dia hodinihan’ny vaomieran’ ny fitantanam-bola sy teti-bola fanindroany, taorian’ny fanovana nataon’ny Antenimierandoholona­, anio maraina ary hotapahan’ireo solombavambahoaka ny tapak’andro hariva.

LFR 2020 Hafana ny adihevitra anio !

Hamaky ny tohiny...

Fanampiana ny sehatra tsy miankina Tsy azo oharina amin’ny any ivelany ny eto…

01/07/2020

Nanambara ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Richard Randriamandrato fa tsy ho vitan’ny fitondram-panjakana mihitsy ny hanome famatsiam-bola betsaka ny sehatra tsy miankina tahaka ny zava-misy any ivelany indrindra ny any amin’ireo tany manankarena.

Fanampiana ny sehatra tsy miankina Tsy azo oharina amin’ny any ivelany ny eto…

Hamaky ny tohiny...

Fampiasana ny tetibola momba ny fahasalamana Hanazava ny sekretera jeneralin’ny ministera

01/07/2020

Handrasana rahampitso 2 jolay izany ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Gaetan Duval Solofomanana, hanazava ny tsara ho fantatra rehetra momban’ny tolo-dalana mikasika ny tetibola nasiam-panitsiana na PLFR 2020.

Fampiasana ny tetibola momba ny fahasalamana Hanazava ny sekretera jeneralin’ny ministera

Hamaky ny tohiny...

Fiahiana ny sehatry ny fiantohana Mitaky fanaraha-maso hentitra

01/07/2020

Ny alatsinainy maraina 29 jona teo no nandaniana ny volavolan-dalàna lah. faha 007/2019 tamin’ny 30 oktobra mikasika ny fiantohana (Loi sur les Assurances).

Fiahiana ny sehatry ny fiantohana Mitaky fanaraha-maso hentitra

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Krizy ara-bola sy ara-toekarena Nokantsanana ny tetibolan’ny minisitera maro

29/06/2020

Nahena amin’ny ankapobeny ny tetibolan’ny minisitera sy ny andrim-panjakana samihafa ao anatin’ny volavolan-dalàna nasiam-panintsiana na ny LFR mitaha amin’ny LFI na ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola niaingana.

 

 

Isan’ny miavaka io ho an’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, izay 706 779 752 lasa 625 675 465 izany hoe nanesorana 81 miliara ariary any ho any. Marihina fa “en milliers d’Ariary” ny sora-bola eto, izay hoe misy “000” aoriana ka 706 779 752 ohatra dia 706 779 752 000 Ariary izany. 215 365 306 ny an’ny Fiadidian’ny Repoblika tao anatin’ny LFI no lasa 211 064 335. Ho an’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany kosa, dia 1 201 649 975 1 nampidinina ho 166 248 728. Ny tontolon’ny asa vaventy novinavinaina ho 752 126 389 lasa 728 044 629. Mahatratra 706 779 752 ny an’ny Minisiteran’ny Filaminana anatiny tao anatin’ny LFI saingy nampidinina ho 625 675 465, izany hoe nanalana 154 miliara ariary eo ho eo. 355 730 934 ny an’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo, nokantsanana ho 189 541 957. Nihena ny an’ny tafika, harena an-kibon’ny tany, fitaterana sy fizahantany, fampianarana ambony, paositra, mponina, fitsarana,… Ny an’ny CENI izay 35 908 243 lasa 15 218 243. Niakatra kely kosa ny an’ny Minisitera sy andrim-panjakana sasany, toy ny minisiteran’ny toekarena sy ny vola, izay 8 323 665 335 niakatra ho 8 388 564 397. Ny antenimierandoholona 15 524 954 lasa 16 524 954. Ny antenimieram-pirenena 47 511 935 nakarina ho 52 511 935. Ny HCC dia 9 105 331 nakarina kely ho 9 181 831. Ny an’ny fahasalamana 680 779 772 lasa 741 179 058. Ny an’ny Minisiteran’ny serasera nofaritana ho 51 556 692 saingy niakatra ho 59 414 758. Betsaka ny zavatra faritana hatao, saingy ny fandrafetana ny LFR dia manaporofo, fa tena mandalo krizy ara-bola sy ara-toekarena isika na misy aza ny Plan Marshall 1043 miliara ariary, kanefa ny PIP (Programme d’Investissement Publics) novinavinaina teo aloha aza 4 835 miliara ariary ambony lavitra noho io. Kely ny fanantenana amin’ny vokatra ho azon’ny fanjakana satria 0,8% rahateo ny vinan’ny fiakaran’ny harin-karena faobe, raha 5% mahery no nofaritana tany aloha.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana