Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

PM Ntsay Christian · Fitiliana faobe eto Antananarivo · Tsy mbola fantatra ny datim-panadinana

29/06/2020

Hapetraka ny toerana iray eto Antananarivo, ka izay olona miahiahy amin’ny fahasalamany dia afaka manantona ao, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Hisokatra 7/7 andro manomboka ny alarobia 1 jolay eny amin’ny Village Voara. Ho maimaimpoana ny fitiliana.

 

 

 

Afaka mody, ary afaka misafidy ny hijanona ny marary, araka izay tiany, fa manaja ny fepetra tsy hipariahan’ny valanaretina. Manomboka eo ny fanomezana fanefitra na fanafody. Afaka misafidy ny hihiboka any an-trano amin’ny toeram-ponenana, fa manaja ny fepetra tsy hamindra. Hisy ny fitanana an-tsoratra na rejisitra hahafahana miantso sy mijery in-telo isan’andro ny fivoaran’ny fahasalaman’ilay olona marary mijanona any an-trano. Hametraka laboratoara hanao fitiliana ny olona efa nihiboka 12 na 14 andro, ka mila ny fahazoan-dàlana mivoaka na “protocole de sortie” hanao fitiliana ny fanjakana, ka 48 ora no tokony hivaly. Ny CICM no napetraka hanao an’io ary afaka manampy azy ny Laboratoara ao amin’ny HJRA.

HOHAMAFISINA NY FAMPIHARANA NY FEPETRA

Tsy miova amin’ny ankampobeny ny fepetra ho an’Analamanga fa ho hentitra kosa ny fampiharana azy. Tazonina ny fepetra hahafahana miasa afatsy ireo sokajin’olona marefo, ka hisy ny fifampiresahana momba ireo mpiasa tsy miankina marefo. Amin’ny 5 ora hariva ny fitsaharan’ny asa, amin’ny 7 ora ny taksibe izay tsy afa-mampiasa ny seza afovoany. Hisy ny fanaraha-maso hentitra ataon’ny mpitandro filaminana. Nampitoviana amin’Analamanga ny ora iasan’ny mpiasa sy ny mpitatitra any Toamasina I sy II, Moramanga sy Fenoarivo Antsinanana, ary samy mbola mihantra ny “couvre-feu” amin’ny 10 ora alina hatramin’ny 4ora maraina. Miverina ny fianarana ho an’ny mpianatra hanala fanadinam-panjakana arahina fepetra ara-pahasalamana sy ara-pahadiovana. Mbola tsy misokatra ny zotra nasionaly, ary hohamafisina ny sakana ara-pahasalamana. Voarara hatrany ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 50 manerana ny nosy. Tsy mbola misokatra ny bar, toeram-pamoriam-bahoaka,… Tsy mbola misokatra ny sidina ana habakabaka.

 

TSY MBOLA VOAFARITRA NY DATIM-PANADINANA

Mbola mitohy ny ady ! Tsy maintsy hisy ny fanadinam-panjakana atao amin’ity taona ity, ary efa miomana amin’izany. Mbola tsy fotoana hitenenana hoe rahoviana ny datim-panadinana. Miandry ny fivoaran’ny valanaretina, fa amin’ny fotoana maha mety azy dia holazaina ny daty, hoy ny Praiminisitra.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana