Dans la męme rubrique

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

03/07/2020

Olona roa indray no namoy ny ainy nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay teto Madagasikara ho 24 hatreto.

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

Hamaky ny tohiny...

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

03/07/2020

Olona roa indray no namoy ny ainy nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay teto Madagasikara ho 24 hatreto.

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

Hamaky ny tohiny...

Mihaodihaody ny Covid19 Hikatona ny sampan-draharaha fanaovana « passeport » anio

03/07/2020

Hikatona ho an’ny besinimaro ny sampan-draharaha fanaovana « Passeport » ny zoma 03 jolay 2020 araka ny fampahafantarana nataon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka.

Mihaodihaody ny Covid19 Hikatona ny sampan-draharaha fanaovana « passeport » anio

Hamaky ny tohiny...

Dr Fidy Bariniaina “Tsy hihiboka mandrakizay isika, aleo miaro tena tsara”

03/07/2020

Vahaolana azo antoka indrindra amin’izao aretina COVID 19 izao, hoy ny Dr Fidy Bariniaina, ny tsy fivoahana ny trano.

Dr Fidy Bariniaina “Tsy hihiboka mandrakizay isika, aleo miaro tena tsara”

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonina Be loatra ny goragora ka miparitaka ny valanaretina

03/07/2020

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena noho ny fiparitahan` ny aretina “coronavirus”. Tsy voafehy ny fiparitahan` ny aretina noho ny goragora ateraky ny kolikoly. Vokany,

Fiarahamonina Be loatra ny goragora ka miparitaka ny valanaretina

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny coronavirus Mila fitoniana sy firaisankina

03/07/2020

Ny valanaretina Covid-19 izao no zava-dehibe, maika, tsy azo ihodivirana. Eran-tany ary tsy afa-miala amin` izany i Madagasikara. Manimba zavatra be lavitra sy sarotra noho ny aretina ny tsy fitandremana.

Ady amin` ny coronavirus Mila fitoniana sy firaisankina

Hamaky ny tohiny...

Afera Covid organics Voaheloka handoa 24 tapitrisa ireo voapanga

02/07/2020

Nahazo fahafahana avokoa ireo 11 mianadahy voarohirohy tamina famarotana CVO tao Bazary Be Toamasina. Efa nisy ny 4 naiditra am-ponja vonjimaika ny herinandro lasa teo. Sazy mihantona 3 volana,

Afera Covid organics Voaheloka handoa 24 tapitrisa ireo voapanga

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus Tafiakatra 18 ny maty, 2000 mahery ny voa

29/06/2020

Olona roa indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus, ka nampiakatra ny isan’ny maty rehetra hatrizay ho 18.

 

 

 

 Efa 2078 ny tranga rehetra teto Madagasikara hatramin’izay, ka 83 ny tranga vaovao ny sabotsy teo, ary 73 kosa omaly alahady. Mahakasika ireo tranga ny 83 notaterina ny sabotsy azo tamina fitiliana 552, dia nahatratra 15,03% izany ny taham-pahavoazana; 78 teto amin’ny Faritanin’Antananarivo (74 Faritra Analamanga, 04 Faritra Vakinankaratra); 05 Toamasina (02 Toamasina Renivohitra, 02 Fenerive Est, 01 Moramanga). Fitiliana miisa 373 kosa ny fitiliana nahitana ireo tranga 73 omaly, izany manome taham-pahavoazana 19,57% izay azo lazaina fa tena ambony izany. 69 tamin’ireo tranga vaovao 73 teto amin’ny faritanin’Antananarivo avokoa (66 Faritra Analamanga, 03 Antsirabe); 03 Analanjirofo, 01 Antsiranana, 01 Faritra SAVA tany Sambava). Raha atao ny tambatr’isa dia mahatratra 147 ny tranga vaovao teto amin’ny faritanin’Antananarivo tao anatin’ny 48ora. 806 kosa ny tranga vaovao, ary 8 no maty tapa-bolana katroka taorian’ny fanambaran’ny Filoha Rajoelina fa voafehy ny valanaretina eto amintsika ary mbola ao anatin’ny “stade 1” I Madagasikara. 53,73% ny salan’isan’ny olona voa isan’andro tao anatin’izany. Miisa 90964 ny fitiliana vita rehetra hatrizay, ka ny 2078 no voatily fa voa, izay manome salan’isa 9,91%. Ny 0,36% amin’ny Malagasy kosa no vita fitiliana raha tombanana ho 25 tapitrisa ny isantsika. 0,83% kosa ny taham-pahafatesana hatreto. 37 ny sitrana vaovao omaly ka 944 ny fitambarany hatrizay, izay manome taham-pahasitranana 45,42%. Miisa 1117 kosa ny mbola manaraka fitsaboana, ka ny 53,75% amin’ireo voa izany no mbola tsaboina. Niampy 3 ireo marary mafy na "formes graves" ka 24 ny fitambarany (01 Morafeno Toamasina, 21 Befelatanana, 01 Antsirabe, 01 CHU Anosiala). Mitombo ny voa, mitombo ireo marary mafy, izay mampanahy satria rehefa miakatra ny isa dia mety tsy ho araka ny fitsaboana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana