Dans la mme rubrique

Antananarivo 398 indray no tratra tsy nanao arotava

28/10/2020

Mbola tsy foana tanteraka ny valanaretina Covid 19 eto amintsika. Ny mahavariana anefa dia mihabetsaka ireo tsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana intsony toy ny fanaovana arotava…

Antananarivo 398 indray no tratra tsy nanao arotava

Hamaky ny tohiny...

Dr Marius Ramaroson “Vaksiny tena izy ihany no haharesy ny Covid 19”

28/10/2020

Aretim-pitranga mialohan’ny rotsak’orana sy andron’ny zakarandahy ary felam-paiso toy izao, hoy ny dokotera Marius Ramaroson, ireo aretin’ny fitaovam-pisefoana. Eo ny “allergie” dia eo koa ny areti-kibo.

Dr Marius Ramaroson “Vaksiny tena izy ihany no haharesy ny Covid 19”

Hamaky ny tohiny...

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

26/10/2020

Maty ilay dokotera nanolo-tena nanaovana andrana amin'ny vaksiny covid-19 tany Brésil.

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

Hamaky ny tohiny...

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

26/10/2020

Efa betsaka ireo olona tsy manao arotava intsony eto amintsika. Anisan’izany ireo mandehandeha eny amin’ny arabe. Ireo tsy maintsy mandeha fiara fitateram-bahoaka sisa no manao izany noho ny fiheveran’ny sasany fa efa foana tanteraka ny areti-mandoza Covid 19.

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

26/10/2020

Nambaran’ny tatitra ofisialy ny sabotsy lasa teo fa nisy tranga vaovao 158 tamin’ny fitiliana miisa 2252, notanterahana ny 17 ka hatramin’ny 23 oktobra.Nisy marary 06 namoy ny ainy, raha toa ka 86 ireo sitrana.

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

23/10/2020

Firenena 10 no hita ao amin'ny lisitr' ireo firenena izay tsy nahazo alalana hiditra eto Madagasikara, araka ny naoty navoakan` ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ho an'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka: Allemagne, Belgique, Espagne, Frantsa, Italia , Pays Bas, Pologne, Royaume-Uni, Rosia ary Ukraine.

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

23/10/2020

Manohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny covid19 ry zareo Koreana Tatsimo.

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Toamasina Nigrevy ireo mararin’ny Covid-19

19/06/2020

Nanao hetsika ireo olona mararin’ny coronavirus tazonina ao amin’ny CEFTAR Analamalotra sy CRJS, ary Foyer Canada ao Toamasina omaly. Efa nivoaka ny trano nisy azy niaraka tamin’ny entana mihitsy ireo tao amin’ny CRJS.

 

 

 

Antsasak’ireo olona no efa miandry ny valin’ny fitiliana azy ireo taorian’ny fanarahana fitsaboana ho an’ny ao Analamalotra. Tsy mivaly ny fitiliana, ny fandraisana an-tànana sy ny sakafo tsizarizary, laisoa foana no hoanina,... Misy efa folo andro miandry ny “contre-test”, ao ny efa 21 andro. “kidnapping médical” no mahazo anay fa tsy resaka fitsaboana intsony, hoy ireo marary. Mitambatra ny marary vaovao sy ny miandry valina fitiliana farany, araka ny fitarainana. Misy ny mivaky fa tsy misy fanafody. Misy zazakely an-tànana tsy mbola nivaly ny fitiliana. Lazaina fa maditra i Toamasina, kanefa tsy izahay no maditra fa ny fandrindrana ataon’izy ireo no misavoritaka tanteraka, hoy ireo marary. Ny mpitandro filaminana no niditra an-tsehatra nandamina sy nanakana ireo olona. Nihaona tamin’ireo marary ny Governoran’ny Atsinanana Atoa Rafidison Richard, izay nanaiky fa nisy ny fahatarana noho ny fahamaroan’ny fitiliana manerana ny Nosy. Omaly tontolo dia ny fitiliana natao tany Toamasina no iandraketana noho ny fiangaviana natao. Marina fa efa nahavita fitsaboana, saingy tsy afaka mivoaka, raha tsy azo ny valin’ny fitiliana, hoy izy. Tsy latsaky ny 100 ny valina fitiliana ho an’i Toamasina izay ao anaty fotoana fohy, araka ny fanazavany. Alefaso eny amin’’ireo toerana hanibohana ireo olona ireo ny laboratoire mobile, izay mahavita fitiliana ao anatin’ny 24 ora. Nahoana no mbola alefa any Antananarivo ny singa? Hoy kosa ny depiote Roland Ratsiraka, izay tonga nandamina ny marary.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana