Dans la mme rubrique

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

26/10/2020

Maty ilay dokotera nanolo-tena nanaovana andrana amin'ny vaksiny covid-19 tany Brésil.

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

Hamaky ny tohiny...

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

26/10/2020

Efa betsaka ireo olona tsy manao arotava intsony eto amintsika. Anisan’izany ireo mandehandeha eny amin’ny arabe. Ireo tsy maintsy mandeha fiara fitateram-bahoaka sisa no manao izany noho ny fiheveran’ny sasany fa efa foana tanteraka ny areti-mandoza Covid 19.

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

26/10/2020

Nambaran’ny tatitra ofisialy ny sabotsy lasa teo fa nisy tranga vaovao 158 tamin’ny fitiliana miisa 2252, notanterahana ny 17 ka hatramin’ny 23 oktobra.Nisy marary 06 namoy ny ainy, raha toa ka 86 ireo sitrana.

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

23/10/2020

Firenena 10 no hita ao amin'ny lisitr' ireo firenena izay tsy nahazo alalana hiditra eto Madagasikara, araka ny naoty navoakan` ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ho an'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka: Allemagne, Belgique, Espagne, Frantsa, Italia , Pays Bas, Pologne, Royaume-Uni, Rosia ary Ukraine.

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

23/10/2020

Manohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny covid19 ry zareo Koreana Tatsimo.

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

21/10/2020

Mpiadina Bakalorea mpianatry ny lisea ao Ranohira tonga miatrika izany fanadinam-panjakana izany ao Ihosy no fantatra fa tratry ny valan’aretina Covid 19.

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

20/10/2020

Tapitra ny fahamehana ara-pahasalamana, ka tokony havoaka amin’izay ny mangarahara.

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ady amin’ny coronavirus Miankina olona tsirairay ny maha mety na tsia azy

19/06/2020

Hafa raha samy firenena isika eto Madagasikara amin’ny fifehezana ny valanaretina mitaha ny firenen-kafa.

 

 

 

Any Japon sy Korea Atsimo, tsy miandry fanasaziana hamafa lalana sy zaridaina ny vahoaka vao mitondra arotava. Voafehy ny azy ireo na betsaka aza ny marefo. Tsy niandry ny Filoha hiantsoantso sy ho fari-peo na fanentanana dridrangilo amin’ny haino aman-jery ny vahoaka vao nahafantatra ny tokony ho ataony ho fiarovan-tena. Tsy nila nandrasana miaramila vao nitandrina sy nifanaja sy nilamina…. Matoa voafehy ny fiparitahan’ny coronavirus any Korea atsimo sy Japon dia vokatry ny fampianarana sy fanabeazana tsara fototra, hoy ny manam-pahaizana Malagasy iray. Eto Madagasikara kosa miankina amin’ny isan’ny “cas contact” avoakan’ny CCO Ivato ny fitondrana arotava na tsia…. Rehefa vitsy ny voa teto Antananarivo anio dia heverina fa tsisy intsony ny coronavirus ary raha vao miakatra indray ny isa dia mody mametaka izany daholo indray rahampitso…Mila ampitahorina fa asaina mamafa lalana sy zaridaina vao mitondra arotava, ka vao tsisy polisy na miaramila dia alana iny na atao ambany saoka fotsiny. Rehefa tsy mbola ny olona ao an-trano no tratra dia tsy dia mivaky loha, sady manahirana koa ny mifampiteniteny samy olon-dehibe. Tsy fahatakarana ny lanjan’ny atao hoe fitsipi-pifehezana, fahazarana mandika lalàna, tsy fahampian’ny fitaizana sy fanabeazana no lesoka eto amintsika. Tsy amin’ny valanaretina ihany fa amin’ny fiainana andavanandro, dia tsy mipetraka intsony ny atao hoe soa iombonana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana