Dans la mme rubrique

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

26/10/2020

Maty ilay dokotera nanolo-tena nanaovana andrana amin'ny vaksiny covid-19 tany Brésil.

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

Hamaky ny tohiny...

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

26/10/2020

Efa betsaka ireo olona tsy manao arotava intsony eto amintsika. Anisan’izany ireo mandehandeha eny amin’ny arabe. Ireo tsy maintsy mandeha fiara fitateram-bahoaka sisa no manao izany noho ny fiheveran’ny sasany fa efa foana tanteraka ny areti-mandoza Covid 19.

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

26/10/2020

Nambaran’ny tatitra ofisialy ny sabotsy lasa teo fa nisy tranga vaovao 158 tamin’ny fitiliana miisa 2252, notanterahana ny 17 ka hatramin’ny 23 oktobra.Nisy marary 06 namoy ny ainy, raha toa ka 86 ireo sitrana.

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

23/10/2020

Firenena 10 no hita ao amin'ny lisitr' ireo firenena izay tsy nahazo alalana hiditra eto Madagasikara, araka ny naoty navoakan` ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ho an'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka: Allemagne, Belgique, Espagne, Frantsa, Italia , Pays Bas, Pologne, Royaume-Uni, Rosia ary Ukraine.

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

23/10/2020

Manohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny covid19 ry zareo Koreana Tatsimo.

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

21/10/2020

Mpiadina Bakalorea mpianatry ny lisea ao Ranohira tonga miatrika izany fanadinam-panjakana izany ao Ihosy no fantatra fa tratry ny valan’aretina Covid 19.

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

20/10/2020

Tapitra ny fahamehana ara-pahasalamana, ka tokony havoaka amin’izay ny mangarahara.

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ozinina Pharmalagasy “Hamokatra fanafody 12 ao anatin’ny 3 taona”

19/06/2020

Tonga omaly tamina fiaramanidina manokana teny Ivato ny entana milanja 100 taonina hananganana ilay ozinina mpamokatra fanafody na Pharmalagasy izay natsidiky ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, tamin’ny kabariny ny alahady teo.

 

 

 

 Manomboka eto dia hiova ny tantaran’I Madagasikara, hoy ny filoha. Voalohany izao ataontsika izao fa fanafody miisa 12 no tsy maintsy vitaintsika ao anatin’ny 3 taona ho avy. Be dia be ny olona hiasa ao amin’ny ozinina. Hisy vahiny maro ao, izany hoe ireo siantifika, ary hanatevina ny siantifika Malagasy. Ny akora dia misy fiaraha-miasa manokana amin’ny Bionnex, izay mpamokatra Arthemesia betsaka indrindra aty Afrika. Izany rehetra izany no miara-miasa amin’ny fitondrana Malagasy ka ny CVO+ ho atao “gelule”. 4 herinandro no niasana andro aman’alina hahatongavana amin’ny “dosage” tena izy mba hitondrana fanasitranana manerana izao tontolo izao. Io CVO+ dia ilay miaro sy manasitrana no vokarina izao voalohany izao. Misy amin’ireo fitaovana no avy any Alemana ary novokarina tany Sina. Misy koa avy any Sina. Vonona hiatrika ny fifaninanana amin’ireo Big Pharma. Ho sokafana ho an’ny Malagasy rehetra aloha, ny Pharmalagasy, izany hoe samy afaka maka “action” ao anatiny. Hisy fanambarana lehibe sy goavana ho atao amin’izay. Hisy koa fandraisan’anjarana orinasam-panjakana ao anatin’izay fisokafana izay. Mikasika ny resaka “industrialisation” dia mampirisika ny sehatra tsy miankina ny fitondrana mba handraharaha eto amin’ny firenena. Raha vao ny Malagasy no mitantana ireny orinasa ireny dia matetika maty antoka na “faillite” ilay orinasa. Ohatra amin’izany ny Air Madagasikara sy ny Jirama. Ilaina ny fiarahamiasa amin’ireo mpandraharaha sy mpamatsy vola hampiroborobo ny indostria eto amintsika, hoy hatrany ny filoha.

J.Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana