Dans la męme rubrique

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

26/10/2020

Maty ilay dokotera nanolo-tena nanaovana andrana amin'ny vaksiny covid-19 tany Brésil.

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

Hamaky ny tohiny...

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

26/10/2020

Efa betsaka ireo olona tsy manao arotava intsony eto amintsika. Anisan’izany ireo mandehandeha eny amin’ny arabe. Ireo tsy maintsy mandeha fiara fitateram-bahoaka sisa no manao izany noho ny fiheveran’ny sasany fa efa foana tanteraka ny areti-mandoza Covid 19.

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

26/10/2020

Nambaran’ny tatitra ofisialy ny sabotsy lasa teo fa nisy tranga vaovao 158 tamin’ny fitiliana miisa 2252, notanterahana ny 17 ka hatramin’ny 23 oktobra.Nisy marary 06 namoy ny ainy, raha toa ka 86 ireo sitrana.

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

23/10/2020

Firenena 10 no hita ao amin'ny lisitr' ireo firenena izay tsy nahazo alalana hiditra eto Madagasikara, araka ny naoty navoakan` ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ho an'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka: Allemagne, Belgique, Espagne, Frantsa, Italia , Pays Bas, Pologne, Royaume-Uni, Rosia ary Ukraine.

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

23/10/2020

Manohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny covid19 ry zareo Koreana Tatsimo.

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

21/10/2020

Mpiadina Bakalorea mpianatry ny lisea ao Ranohira tonga miatrika izany fanadinam-panjakana izany ao Ihosy no fantatra fa tratry ny valan’aretina Covid 19.

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

20/10/2020

Tapitra ny fahamehana ara-pahasalamana, ka tokony havoaka amin’izay ny mangarahara.

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Hopitaly manara-penitra Vehivavy iray matin’ny Coronavirus

19/06/2020

Vehivavy iray 61 taona notsaboina teny amin'ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka no namoy ny ainy vokatry Coronavirus, ka nampiakatra 13 izany hatreto no lavon'ity valanaretina ity teto Madagasikara.

 

 

 

 

 Vao ny talata 16 jona lasa teo no nisy ireo 2 namoy ny ainy teny amin’ny Hopitaly Befelatanana, ary niampy iray indray izany izao. Ankoatra io, nahitana tranga vaovao 25 ny fitiliana natao 17 jona teo. Tahaka izao ny antsipirihany momba ireo tranga vaovao:nanao fitiliana 207 teto Antananarivo mivantana sy tany Toamasina ny IPM. Nahitana tranga 3 ny fitiliana 20 nataon’ny Laboratoire Mobile tany Toamasina, izay olona avy any an-toerana avokoa. 8 kosa tany Moramanga ho an’ny fitiliana natao teto Antananarivo. Fitiliana 139 kosa no vitan’ny HJRA ka nahita tranga vaovao 14, izay avy any Toamasina avokoa. Raha haravona ireo tranga vaovao, dia 17 avy any Toamasina, ary 8 avy any Moramanga. Miisa 13 ireo sitrana vaovao (11 Befelatanana, 1 Moramanga, 1 Toamasina) ka nampiakatra ny isa ho 463. Miisa 1043 ny tranga rehetra hatrizay, ka 928 no mbola manaraka fitsaboana. Niampy iray ny marary mafy ao anatin’ny sokajin’ny “formes graves”, ka 9 ny fitambaran’izy ireo hatreto. 16653 ny fitiliana vita hatramin’ny 16 jona teo, ka 0,06% amin’ny vahoaka Malagasy izany no vita fitiliana raha kajiana tsotsotra ho 25 tapitrisa ny mponina eto Madagasikara. Manome 8,43% kosa ny taham-pahavoazan’ireo 1403 mitaha amin’ny fitiliana rehetra vita hatrizay. Hatreto, sarotra ny milaza fa voafehy ny valanaretina na izay aza no nambaran’ny Filoham-pirenena. Mitombo hatrany isan’andro ny olona voa sy ny toerana vaovao ahitana ny valanaretina.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana