Dans la mme rubrique

Fifanandrinana politika Iza no tena mahazo tombotsoa ?

26/10/2020

Tsy misy mandeha araka ny tokony ho izy intsony ny raharaham-pirenena, ankehitriny.

Fifanandrinana politika Iza no tena mahazo tombotsoa ?

Hamaky ny tohiny...

Plateau Mahafaly Mangataka ho faritra faha-24

26/10/2020

Raha an-dalana ny fametrahana ny faritra faha-23 amin` ny fizarana ho faritra roa Vatovavy sy Fitovinany dia mitohy hatrany ny fangatahana sasany amin` ny fametrahana faritra faha-24.

Plateau Mahafaly Mangataka ho faritra faha-24

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Nalefa an-tsokosoko any Maorisy ny entan’ny Tiko”

26/10/2020

Misy tamin’ireo fitaovana tao amin’ny ozinin’ny TOP (Tiko Oil Product) sy ny Margarinerie Toamasina re fa lasa any amin’ny nosy Maorisy, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly nandritra ny fandaharana manokana nandeha tamin’ny haino aman-jery.Fitaoana avy any Allemagne izy ireo,

Hanitra Razafimanantsoa “Nalefa an-tsokosoko any Maorisy ny entan’ny Tiko”

Hamaky ny tohiny...

Tsihombe Vita ny fametrahana samboadin` ireo ben' ny tanàna

26/10/2020

Taorian` ny fametrahana samboady an` ireo ben` ny tanàna voafidy tao amin'ny distrikan' Ambovombe dia anjaran` ny disitrakan` Tsihombe indray no nanatanterahana izany.

Tsihombe Vita ny fametrahana samboadin` ireo ben' ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

23/10/2020

Mitaky ny hanomezana azy ireo ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 sy ny hahazoan`izy ireo fisotron-dronono ny solombavambahoakan`i Madagasikara.

Fiara 4x4 sy fisotroan-dronono “Rariny” ny fitakianay, hoy ireo depiote

Hamaky ny tohiny...

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

23/10/2020

Ny fokonolona amiko no fototra iaingan’ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy ny mpampianatra mpikaroka, Marie Michel Robivelo, izay mamita “doctorat” momba izany.

Marie Michel Robivelo “Fokonolona no fototra iaingan’ny fampandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

23/10/2020

Mitentina 1,8 miliara ariary ny tetibola ilaina amin` ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin`ny 11 desambra izao. Raha ireo tetiandro voaray hatrany dia ny 29 oktobra izao no mivoaka ny lisitra farany ireo kandidà izay miisa 14 hatreto.

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rivo Rakotovao Hanarona ny vitan-dRajao ve no mahamaika eto ?

16/06/2020

Fanatsarana ve sa fanakonana ny teo aloha no atao ? hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona mahakasika ny fikitihana ny fotodrafitrasa nataon’ny fanjakana Rajaonarimampianina, toy ny ao Mahajanga.

 

 Raha fanatsarana izay ve no maika ? Raha fanakonana ny vita teo aloha izany ve no atao aton-draharaha kanefa jereo no manjo antsika ? Azo hatsaraina io fa izany ve no maika? Jereo ny EPP Mahabibo, izao noravana ny Gymnase ao Mahajanga. Enga anie ho vita. Haingana be ny mandrava, fa ny manorina sarotra, hoy i Rivo Rakotovao. Maro ny zavatra maika raha ao Mahajanga: mijaly rano, mijaly ny ankizy amin’ny EPP fan a tabilao aza tsisy, mijaly I Tsararano tsy misy lakandrano,… hoy ity filohana andrim-panjakana ity. Ny taona 2016 izay nisian’ny fikaonan-doha tamin’ny mpamatsy vola isika vao nahavita nanadio hoe efa tsy tetezamita intsony izahay fa efa vita ny fifidianana ny 2013. Maro ireo fotodrafitrasa efa vita tamin’ny fitondrana teo aloha hoy izy na dia novoizina foana aza fa tsy nahavita na inona na inona ny fitondrana Rajaonarimampianina. Ireo fotodrafitrasa ngezabe hitantsika, toy ny seranam-piaramanidina, ny làlana manodidina an’Antananarivo, ny làlana Ambohitrimanjaka, ny làlana Ambanja-Diego, ny làlana Ambilobe-Vohémar,… Raha tena tsy nanao na inona na inona tokoa ve ny fitondrana tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina dia inona no natao teto herintaona sy tapany ? Mandoko trano ? hoy I Rivo Rakotovao. Mitohy foana ilay serasera hoe tsy nanao na inona na inona ingahy Hery Rajaonarimampianina. Nanao izy matoa misy zavatra tokanana, zavatra vita, zavatra tohizana,… Tombony izany ho an’ny firenentsika fa hadalan’izay miezaka foana hoe rehefa tonga eo amin’ny fitondrana, dia hoe tsy nisy na inona na inona teo alohanao, hoy ity mpitarika ny HVM ity.

 

Mahakasika ny valanaretina dia hita fa niakatra ny ezaka natao amin’ny resaka fitsirihana na dia mbola hita ihany aza ny tandrevaka ny amin’ny fifehezana ny olona ka mahatonga ny fitomboan’ny tahan’ny olona voa. Tokony hahay hiano sy handray ny hevitry ny besinimaro ny fitondrana. Manahirana izao ny hoe «stade 1 » sa «stade 3 », izay nifanohitra ny voalazan’ny Filoha sy ny Minisitra, hoy i Rivo Rakotovao.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana