Dans la mme rubrique

Coronavirus teny Alakamisy Fenoarivo Nijoro vavolombelona ilay rangahy sitrana

10/07/2020

Efa sitrana soamantsara avokoa ireo fianakaviana iray trano nararin’ny coronavirus teny amin’ny Fokontany Antanety, kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Coronavirus teny Alakamisy Fenoarivo Nijoro vavolombelona ilay rangahy sitrana

Hamaky ny tohiny...

Tsy maharaka ny hopitaly sy ny mpitsabo Amporisihana ny fitsaboana any an-trano

10/07/2020

Nampiharina eto Madagasikara ny fomba famaritana vaovao ny olona sitrana (protocole de sortie) ka afaka mivoaka ny hopitaly nofaritan’ny OMS nanomboka ny 27 mey.

Tsy maharaka ny hopitaly sy ny mpitsabo Amporisihana ny fitsaboana any an-trano

Hamaky ny tohiny...

CMC Andohatapenaka Mandray marary 115 isan’andro ny dokotera iray

10/07/2020

Tsy mitsaha-mitombo ireo olona mahatsiaro tsy fahasalamana tonga manatona eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka na ny Centre Medical COVID 19 amin’izao.

CMC Andohatapenaka Mandray marary 115 isan’andro ny dokotera iray

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 209 indray voa teto Antananarivo

10/07/2020

Niampy 209 ireo mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isan’ny voa hatramin’izay ho 3787, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly 9 jolay 2020.

Coronavirus 209 indray voa teto Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Village Voara Andohatapenaka Nahazo tohana ara-tsakafo ireo mpiasan’ny fahasalamana

10/07/2020

Mafy ny asa hatrehin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mampiodina ny Village Voara eny Andohatapenaka isan’andro na ny CMC.

Village Voara Andohatapenaka Nahazo tohana ara-tsakafo ireo mpiasan’ny fahasalamana

Hamaky ny tohiny...

Hary Naivo Rasamoelina “Porofoy fa sitrana ireo lazainareo fa sitrana ireo”

10/07/2020

Tsy tokony horaisina an-jambany fotsiny ny zavatra miseho iraisam-pirenena fa mila tetikady ary tsy ampiharina ara-bakiteny,

Hary Naivo Rasamoelina “Porofoy fa sitrana ireo lazainareo fa sitrana ireo”

Hamaky ny tohiny...

Fanasana tanana Fihetsika tsotra, mahavonjy aina

10/07/2020

Fihetsika faran’izay tsotra kanefa adinodino misy fotoana ny fanasana tanana.Ny nahazatra ny ankamaroan’ny oona hatrizay dia ny hoe manasa tanana rehefa hisakafo, na avy any amin’ny trano fivoahana ,

Fanasana tanana Fihetsika tsotra, mahavonjy aina

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

05/06/2020

Miantso ny vahoakan` i Toamasina hanaraka ny fepetra entina hiadiana amin` ny Covid-19 ny depiote Famindra Justin, izay voafidy tao Toamasina I.

 

 

Ilaina ny firaisankina ary ny faharetana miaraka hahafahana miady amin`ny aretina, hoy izy. “Taorian` ny dian` ny Filoha Rajoelina tany Toamasina no nahafahana nandrefy izay mety hitranga amin`ny tanànan` Toamasina. Misaotra ny filoham-pirenena aloha fa tonga avokoa na ireo olona na ireo fitaovana entina miady amin` ny aretina. Mirary aho mba afaka roa herinandro dia hiova ny fiainana ao Toamasina. Raha miharitra mandritra izay roa herinandro izay dia afaka hiatrika ny fetin` ny 26 jona ny vahoaka ao Toamasina”. Namafisiny hatrany fa raha manaraka ny fepetra napetraky ny fanjakana toy ny fihiboahana dia ho vita ny miady amin` ny aretina. “ Raha sitrapon` ny fanjakana dia mihiboka ny tontolo andro saingy marefo ara-toekarena. Ka ataovy amin`ny fomba mihaja ny fanajana ny fihibohana”. Toamasina izay nahitana olona mararin` ny Covid-19 vaovao izay miisa 33 omaly.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana