Dans la mme rubrique

Coronavirus teny Alakamisy Fenoarivo Nijoro vavolombelona ilay rangahy sitrana

10/07/2020

Efa sitrana soamantsara avokoa ireo fianakaviana iray trano nararin’ny coronavirus teny amin’ny Fokontany Antanety, kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Coronavirus teny Alakamisy Fenoarivo Nijoro vavolombelona ilay rangahy sitrana

Hamaky ny tohiny...

Tsy maharaka ny hopitaly sy ny mpitsabo Amporisihana ny fitsaboana any an-trano

10/07/2020

Nampiharina eto Madagasikara ny fomba famaritana vaovao ny olona sitrana (protocole de sortie) ka afaka mivoaka ny hopitaly nofaritan’ny OMS nanomboka ny 27 mey.

Tsy maharaka ny hopitaly sy ny mpitsabo Amporisihana ny fitsaboana any an-trano

Hamaky ny tohiny...

CMC Andohatapenaka Mandray marary 115 isan’andro ny dokotera iray

10/07/2020

Tsy mitsaha-mitombo ireo olona mahatsiaro tsy fahasalamana tonga manatona eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka na ny Centre Medical COVID 19 amin’izao.

CMC Andohatapenaka Mandray marary 115 isan’andro ny dokotera iray

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 209 indray voa teto Antananarivo

10/07/2020

Niampy 209 ireo mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isan’ny voa hatramin’izay ho 3787, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly 9 jolay 2020.

Coronavirus 209 indray voa teto Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Village Voara Andohatapenaka Nahazo tohana ara-tsakafo ireo mpiasan’ny fahasalamana

10/07/2020

Mafy ny asa hatrehin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mampiodina ny Village Voara eny Andohatapenaka isan’andro na ny CMC.

Village Voara Andohatapenaka Nahazo tohana ara-tsakafo ireo mpiasan’ny fahasalamana

Hamaky ny tohiny...

Hary Naivo Rasamoelina “Porofoy fa sitrana ireo lazainareo fa sitrana ireo”

10/07/2020

Tsy tokony horaisina an-jambany fotsiny ny zavatra miseho iraisam-pirenena fa mila tetikady ary tsy ampiharina ara-bakiteny,

Hary Naivo Rasamoelina “Porofoy fa sitrana ireo lazainareo fa sitrana ireo”

Hamaky ny tohiny...

Fanasana tanana Fihetsika tsotra, mahavonjy aina

10/07/2020

Fihetsika faran’izay tsotra kanefa adinodino misy fotoana ny fanasana tanana.Ny nahazatra ny ankamaroan’ny oona hatrizay dia ny hoe manasa tanana rehefa hisakafo, na avy any amin’ny trano fivoahana ,

Fanasana tanana Fihetsika tsotra, mahavonjy aina

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

05/06/2020

Renim-pianankaviana iray notsaboina teny amin’ny Hopitaly Anosiavaratra voamarina fa voan’ny Covid 19 no namoy ny ainy, ka nampiakatra ny isan’ny maty rehetra hatramin’izay ho fito. Nisy fahasarotany ny fiterahany ny alarobia 3 jona teo.

 

 

 

 Nodidiana haingana dia haingana, ka avotra soa aman-tsara ny ain’ilay zaza, ary tsy tana kosa ny ain’ilay reniny. Tsy tao anatin’ireo “forme grave” na nahiana mafy notaterina ny 3 jona ainy izy io. Efa sempotsepotra ilay renim-pianankaviana, ary niha nihombo ny fahasemporany niharo fanaviana, ka nanana ahiahy ny fianankaviana fa sao dia coronavirus rehefa natao ny fitarafana. Natao noho izany ny fakana singa hotiliana. Nanao “détresse respiratoire aigue grave” izany hoe nisy olana be teo amin’ny fisefoana izy, ka nilàna “respirateurs” , ary nasiana fantsona tao amin’ny foto-tendany nahafana nampidirana “oxygène” tao anatiny. Nanao fitiliana, ka voamarina fa “positif” kanefa teo am-piandrasana ny valin’ny fitiliana izy no namoy ny ainy. Efa nanao izay azony natao ny mpitsabo ary noho izy nahiana dia efa natao fitsaboana, saingy tsy tana ny ainy, hoy ny Pr Vololontiana Hanta, izay nitondra fankaharezana ho an’ireo fianankaviany. Momba ny tranga vaovao kosa dia 49 no notaterina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 957 hatreto, izany hoe manakaiky ny 1000 izy izao. Nanao fitiliana 180 ny IPM teto an-dRenivohitra, ka 25 no voamarina fa voa (20 Toamasina, 4 Antananarivo, 1 Manjakandriana). 41 kosa ny tany Toamasina, ka 8 no voamarina fa voa. 115 kosa ny fitilian’ny CICM, ka 16 ny tranga vaovao, izay tsy fantatra ny toerana nisy ireo marary. Nisy 5 vaovao sitrana, ka 200 ny fitambarany hatreto. 750 izany no mbola tsaboina, ary ny 9 amin’ireo no marary mafy. Niampy iray ny tao Befelatanana, ary nihena iray ny tao Toamasina ho an’ireo marary mafy ireo. 12608 kosa ny fitiliana vita hatramin’ny 2 jona lasa teo, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana