Dans la mme rubrique

Coronavirus teny Alakamisy Fenoarivo Nijoro vavolombelona ilay rangahy sitrana

10/07/2020

Efa sitrana soamantsara avokoa ireo fianakaviana iray trano nararin’ny coronavirus teny amin’ny Fokontany Antanety, kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Coronavirus teny Alakamisy Fenoarivo Nijoro vavolombelona ilay rangahy sitrana

Hamaky ny tohiny...

Tsy maharaka ny hopitaly sy ny mpitsabo Amporisihana ny fitsaboana any an-trano

10/07/2020

Nampiharina eto Madagasikara ny fomba famaritana vaovao ny olona sitrana (protocole de sortie) ka afaka mivoaka ny hopitaly nofaritan’ny OMS nanomboka ny 27 mey.

Tsy maharaka ny hopitaly sy ny mpitsabo Amporisihana ny fitsaboana any an-trano

Hamaky ny tohiny...

CMC Andohatapenaka Mandray marary 115 isan’andro ny dokotera iray

10/07/2020

Tsy mitsaha-mitombo ireo olona mahatsiaro tsy fahasalamana tonga manatona eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka na ny Centre Medical COVID 19 amin’izao.

CMC Andohatapenaka Mandray marary 115 isan’andro ny dokotera iray

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 209 indray voa teto Antananarivo

10/07/2020

Niampy 209 ireo mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isan’ny voa hatramin’izay ho 3787, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly 9 jolay 2020.

Coronavirus 209 indray voa teto Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Village Voara Andohatapenaka Nahazo tohana ara-tsakafo ireo mpiasan’ny fahasalamana

10/07/2020

Mafy ny asa hatrehin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mampiodina ny Village Voara eny Andohatapenaka isan’andro na ny CMC.

Village Voara Andohatapenaka Nahazo tohana ara-tsakafo ireo mpiasan’ny fahasalamana

Hamaky ny tohiny...

Hary Naivo Rasamoelina “Porofoy fa sitrana ireo lazainareo fa sitrana ireo”

10/07/2020

Tsy tokony horaisina an-jambany fotsiny ny zavatra miseho iraisam-pirenena fa mila tetikady ary tsy ampiharina ara-bakiteny,

Hary Naivo Rasamoelina “Porofoy fa sitrana ireo lazainareo fa sitrana ireo”

Hamaky ny tohiny...

Fanasana tanana Fihetsika tsotra, mahavonjy aina

10/07/2020

Fihetsika faran’izay tsotra kanefa adinodino misy fotoana ny fanasana tanana.Ny nahazatra ny ankamaroan’ny oona hatrizay dia ny hoe manasa tanana rehefa hisakafo, na avy any amin’ny trano fivoahana ,

Fanasana tanana Fihetsika tsotra, mahavonjy aina

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

04/06/2020

Tsy « bacterie » na « parasite » ny covid-19 fa virus, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana

 

 

 

. Ny vaksiny irery ihany no tena vahaolana hiadiana aminy, ka izay no mahatonga ireo firenena lehibe miketrika mafy mikaroka vaksiny. Ny tany Eoropa, ohatra, dia efa nisy ilay fanangonam-bola be hikarohana vaksiny, ka nahangona 7,6 miliara euros ny 4 mey lasa teo, ary mbola hisy andiany faharoa kendrena hatao ny 25 jona. Isan’ny naneho ny fahavonany amin’io ny firenena tsy tao anatin’ireo nanome teo aloha, toa an’i Etazonia, Rosia, Méxique,… Isan’ny miketrika mafy ny vaksiny i Etazonia. Aty Afrika no hanaovana ny andrana faobe na “essai à grande échelle” kanefa any Eoropa sy Amerika no be maty, izay midika fa mety hisy tambiny goavana. Malaza fa volabe 3000 miliara dolara no hanambazana ireo mpitondra Afrikanina amin’io, ka mety hisy ohatra ny fanamboarana fotodrafitrasa goavana, fanaisorana ny zana-bola ho an’ny trosan’ireo firenena manaiky,... Mandeha sy homena vahana ny andrana vaksiny, hany ka ny OMS aza nanakiana ny tsy mampety ny “protocole” Hydroxychloroquine sy Azytrhomycine an’i Pr Didier Raoult, ary nisy ny famoahana tamin’ny gazetiboky malaza The Lancet io “protocole” io, kanefa saika nampiasa azy ny firenena maro maneran-tany. Efa namoaka didy fandrarana ny fampiasana azy ny Frantsay.Izao nambara fa tohizana inday ny andrana amin’ny hydroxychloroquine. Etsy ankilan’izay 9 ka hatramin’ny 14 taona eo ny fotoana mety ho lany amin’ny fikarohan dia vaksiny iray, saingy hafainganana io ary izay no ilàna andrana faobe ka ny fiandohan’ny 2021 no kendrena hivoaka sy azon’ny daholobe ampiasaina io vaksiny io. Ny fiantraikany amin’ny vatan’olombelona no mety hampanahy amin’ny maha andrana azy satria eo no hijerena ny fahapoizinana na “toxicité” mety haterany na ny tanjaky ny hery fiarovana na “anticorps” entiny. Ny Afrikanina no mbola mora kokoa ny mandresy lahatra sy mividy ny mpitondra, ary mbola tsy tena voahaja rahateo ny zon’olombelona.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana