Dans la mme rubrique

Mpiasan’ny fahasalamana Tsy ampy fitaovana, atahorana hitokona

01/07/2020

Manoloana ny fahafatesana nanjo ny mpiara miasa noho ny COVID ; namana marobe mpiara-miasa voatily fa mitondra ny COVID-1, fitomboan'isan'ireo mpiray tanindrazana voa,

Mpiasan’ny fahasalamana Tsy ampy fitaovana, atahorana hitokona

Hamaky ny tohiny...

Village Voara Andohatapenaka Hisokatra anio ny ivon-toerana Covid 19

01/07/2020

Natao hikarakarana manokana na amin'ny alalan'ny fitiliana na fitsaboana ireo olona mitondra ny soritr'aretina Covid-19 ny Village Voara Andohatapenaka. Ivo-toerana iray handraisana olona manana ahiahy amin’ny aretina izy io ary afaka mandeha eny avokoa ny olona rehetra.

Village Voara Andohatapenaka Hisokatra anio ny ivon-toerana Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Mampivarahontsana ny taham-pahavoazana 76 tamin’ny fitiliana 148 voan’ny coronavirus

01/07/2020

Niampy 76 ireo mararin'ny coronavirus eto amintsika, araka ny tatitra nataon’ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Mampivarahontsana ny taham-pahavoazana 76 tamin’ny fitiliana 148 voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

CVO hosoka naparitaka Anio ny fitsarana any Toamasina

01/07/2020

Olona 11 no voarohirohy tamin’ilay afera famokarana sy fivarotana Tambavy CVO hosoka na tsy ara-dalàna tany Toamasina. Nanamafy ny fisian’io ny mpandrindra nasionalin’ny CCO Covid-19 Jeneraly Elack Olivier Andriankaja. Ny 24 jona

CVO hosoka naparitaka Anio ny fitsarana any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

GEL hampiasain’ny taxibe Efa niezaka ny mpitatitra teny am-piandohana saingy …

01/07/2020

Ratsy ny miditra fonjakely na “violon” hoy Randriamiarisoa Jean Harilanto, filohan’ny Fitaterana Mirindra na ny FMA omaly raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety izy.

GEL hampiasain’ny taxibe Efa niezaka ny mpitatitra teny am-piandohana saingy …

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tsy voan’ny coronavirus izany aho”

01/07/2020

Nitsidika ilay ozinina mpamokatra fanafody na ny “Pharmalagasy” eny Tanjombato ny Filoha Rajoelina mivady omaly, nijery ny fametrahana ireo milina hampiasaina.

Andry Rajoelina “Tsy voan’ny coronavirus izany aho”

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ny ezaka hataon’ny tsirairay ihany no hampidina ny isa

01/07/2020

Feno 100 andro omaly ny nanambarana tamim-pomba ôfisia ny fisian’ny tsimok’aretina COVID eto amintsika. Tsy nitsaha-niakatra ny salan’isan’ireo olona voa nandritra izany izay efa tafakatra 90 mahery isan’andro mihitsy indraindray.

Ady amin’ny COVID 19 Ny ezaka hataon’ny tsirairay ihany no hampidina ny isa

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

nahatafidiran’ity valanaretina ity teto Madagasikara nanomboka ny 19 martsa. 226 ny fitilian’ny IPM ; 146 teto Antananarivo, izay nahitana tranga 25 (12 Toamasina, 5 Moramanga, 3 Antananarivo Renivohitra, 2 Manjakandriana, 1 Vontovorona, 1 Alakamisy Fenoarivo, 1 Ampanefy). Tany Toamasina kosa dia fitiliana 80, ka 23 ny tranga (21 Toamasina, 2 Analanjirofo). 63 kosa ny fitilian’ny CICM, ka 15 ny tranga (14 dia fakana singa tamin’ireo marary arahi-maso eny amin’ny Hopitaly Befelatanana, ary 1 teny Anosy Avaratra). 10 kosa ireo olona vaovao sitrana (1 Toamasina, 7 Anosiala, 1 Befelatanana). Miisa 9 kosa ireo marary mafy, ka 8 any Toamasina, ary 1 eny amin’ny Hopitaly Befelatanana. 908 ny fitambaran’ny olona voa hatramin’izay, ka 707 no mbola manaraka fitsaboana. Hatramin’ny 1 jona lasa teo dia 12 192 ny fitiliana vita teto Madagasikara. Nisy moa ny fanentanana nataon’ny Pr Vololontiana Hanta amin’ny mba hanajana ireo olona lasibatry ny ambara fa lesoka tamin’ny fitiliana nilaza fa voa izy ireo, saingy rehefa nohamarinina dia tsy mitondra ity aretina ity. Tamin’ilay raharaha fitiliana 72 naverina nampifanolana ny fanjakana sy ny IPM io, izay am-polony ihany no voalaza fa voa avy eo.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana