Dans la mme rubrique

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

10/08/2020

Namoaka fanambarana ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka fa maro ireo toeram-pitsaboina sy hopitaly tsy miankina milaza fa manao fitiliana momba ny valanaretina Covid 19.

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

10/08/2020

148 ny maty, kanefa na iray aza dia marary izany, ka ny tambavy CVO no nambaran’ny Filoha, fa nahafaha-nifehy ny fidangan’ny fahafatesana. 1 890 051 ny CVO “Pack familial” nozaraina nanerana ny Nosy,

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

10/08/2020

Olona 13 no lavon’ny coronavirus tao anatin’ny 48ora farany satria 6 ny sabotsy teo (03 Analamanga, 02 Vakinankaratra, 01 Matsiatra Ambony), ary 7 kosa omaly alahady (05 Analamanga, 01 Betsiboka, 01 Matsiatra Ambony).

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

10/08/2020

Tonga omaly 9 aogositra 2020 teny amin'ny seranam-piaramanidina Bani Ivato ny fiaramanidina nitondra ny andiany voalohany tamin'ireo "concentrateurs d'oxygène" sy ireo "lunettes nasales à oxygène".

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

Hamaky ny tohiny...

Fanitarana ny « Fahamehana ara-pahasalamana » Mifanipa-kevitra ireo lehiben’ny andrimpanjakana

10/08/2020

Nitarina 15 andro ny fahamehana ara-pahasalamana. Ny Didim-panjakana laharana faha-2020-890 tamin’ny 08 aogositra 2020 no manambara

Fanitarana ny « Fahamehana ara-pahasalamana » Mifanipa-kevitra ireo lehiben’ny andrimpanjakana

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny Covid 19 Nahazo fitaovam-pitiliana TDR an-jatony i Ambatolampy

10/08/2020

Fiatrehana ny Covid 19 Nahazo fitaovam-pitiliana TDR an-jatony i Ambatolampy

Hamaky ny tohiny...

Nohamaivanin’ny Filoha ny Covid 19 “Tsy namono olona noho ny pesta io… ”

10/08/2020

Miisa 148 ny olona maty teto. Latsaky ny 1% ny olona maty, izay midika fa ambany ny taham-pahafatesana mitaha amin’ny firenena maneran-tany. Aty Afrika, dia 2% eo manerana an’i Afrika, raha toa ka 3,8% maneran-tany.

Nohamaivanin’ny Filoha ny Covid 19 “Tsy namono olona noho ny pesta io… ”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

 

 

 

 Voarohirohy tamin’ny fahafatesan’ny Dr Andriamilavonjy Daniel, ilay mpitsabo voan’ny covid-19 maty tao amin’ny CHU Morafeno Toamasina ny 23 mey izy. Ny 28 mey no nohadihadiana ny Pr Ralandison Stéphan Ralandison izay Sojaben’ny Sampam-pianarana Fitsaboana ao Toamasina ary miasa amin’ny CHU Morafeno. Ny 29 mey dia voalaza fa hiakatra fampanoavana, saingy navotsotra. Naneho ny firaisan-kiana feno taminy rahateo ny mpiasan’ny fahasalamana manontolo. Isan’ny nahafantarana azy ihany koa ny fanehoan-kevitra somary niendrika tsy faharesen-dahatra tamin’ny CVO, ka asa na misy hifandraisany amin’izany ny safotofoton-draharaha hanenjehana azy. Hatreto, dia nanapa-kevitra ny fitsarana, fa tsy hanisy tohiny aloha, hoy ny Minisitry ny Fitsarana Andriamahefarivo Jhonny omaly teny amin’ny Antenimierandoholona. Tamin’ny 10 ora sasany teo rehefa avy nanatontosa ny asany no niditra tao amin’ny toeram-piasana ny Pr Ralandison, ary gaga izy raha nahita fa niantona sy efa maty. Tsy nijanona teo izy, fa avy hatrany dia niantso ny namany, ary niara-nampidina ary hita fa maty noho ny fahasemporana aloha hatreto no voalaza fa nahafaty ny dokotera Daniel, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny fitsarana. Nisy fianankaviana anefa nihevitra fa matoa maty io havany io dia nisy namono. Tsy maintsy nosokafana ny fanadihadiana noho izany. Hatreto aloha tsy mbola misy antony handraisana fanenjehana na fampiakarana fitsarana, ary mitohy ny fanadihadiana, hoy io Minisitra io. Na ny minisitry ny fitsarana na ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria dia samy tsy nisy nanamarina na nandiso io resaka mivoaka momba ny fisamborana io.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana