Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Antananarivo Nisy voafonja voan’ny Coronavirus

02/06/2020

Any amin` ireo firenena mandroso dia fanomezana fahafahana vonjimaika ny voafonja ny fepetra (procédure carcérale)no raisina mba hifehezana ny aretina Covid-19 any amin` ireo fonja.

 

 Nitondra ny heviny kosa ny ministry ny Fitsarana, Johnny Richard Andriamahefarivo, teny Antanimenabe Ampitatafika nandritra ny hetsika fanolorana fanampiana ho an'ireo zokiolona fa “na inona ny tahan` ny fiakaran` ny valanaretina dia azo lazaina mbola tsy toy ny any ivelany ny eto amintsika. Raha hampitovy ny any ivelany isika, dia any amin`ny 20 000 no misy maty any saingy eto amintsika, tsy sanatria faly amin` ny maty, fa vitsy.” Mila famatorana ny fandraisana fanapahan-kevitra toy izany indrindra amin` izao fotoana izao, hoy hatrany ny minsitra. “Raha havoaka ireo mpanao heloka, mahafaly sy mampilamina ny Malagasy ve izany? Vaky ny fonja dia taitra avokoa isika rehetra ka ho avoaka ny voafonja? Mbola “service minimum” ny eny anivon` ny fitsarana dia efa marobe ireo raharaham-pitsarana ka raha niasa ara-dalàna, tsy efa betsaka tokony ho izy?” Ho avy ny fetin` ny 26 jona, anjaran` ny filoham-pirenena no mahalala na tokony hanome na tsia “grace présidentielle”, “remise de peine”, “’amnistie” ny voafonja. Nanambarany hatrany izy fa tafiditra ao amin`ny fonja ny aretina coronavirus. «Mampalahelo no milaza fa efa tafiditra ao am-ponja ny coronavirus. Misy tranga iray eto Antananarivo nanomboka omaly(ndlr: zoma 29/05/2020). Efa eny amin'ny hopitaly noraisina an-tanana ilay gadra voan'ny Coronavirus. ». Nomarihany fa efa nandray ny fepetra hatramin'izay ny fonja ka tohizana sy hamafisina izany toy ny fanenana araka izay farany azo atao ny fivezivezen’ireo voafonja, ny fitondrana azy ireo eny amin’ny toeram-pitsaboana ivelan’ny fonja raha tsy noho ny antony tsy azo anoharana, ny fitsapana hafanana isan’andro atao amin’ny voafonja sy ireo mpandraharahan’ny fonja ary izay rehetra mivezivezy ao, ny fanaovana fitiliana manokana sy hatoka-monina mandritra ny 15 andro ihany koa ireo voafonja vao miditra ny fonja.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana