Dans la mme rubrique

Nanisana Nosamborina ireo mpampiady akoho

15/07/2020

Nampody olona tany amin’iny Nanisana iny ny polisy no sendra ireo olona mitangorongorona mijery adin'akoho.

Nanisana Nosamborina ireo mpampiady akoho

Hamaky ny tohiny...

Tsy voahaja ny fepetra ara-pahasalamana Nahavory olona 3000 ny Fitampoha-Fanompoambe 2020…

09/07/2020

Nankatoavina ny fanatanterahana ny hetsika ara-kolontsaina sy fomban-drazana « Fitampoha-Fanompoambe 2020 » ny 6 jolay teo tao amin’ny Doany Miarinarivo,

Tsy voahaja ny fepetra ara-pahasalamana Nahavory olona 3000 ny Fitampoha-Fanompoambe 2020…

Hamaky ny tohiny...

Fomba fiasa Manana sata manokana ny fitsaboana nentim-paharazana

09/07/2020

Efa misy naoty avoakan’ny minisitera tompon’andraikitra hatrany, hoy ry zareo eo anivon’ny ANTM,

Fomba fiasa Manana sata manokana ny fitsaboana nentim-paharazana

Hamaky ny tohiny...

Vakokoa sy harem-pirenena Maro no re hoe mihitsoka any Frantsa

06/07/2020

Ny 14 septambra 2018 no nalaza ho nisy nahita tao Paris- Frantsa, ny satroboninahitry ny mpanjaka Ranavalona I izay very tao amin’ny

Vakokoa sy harem-pirenena Maro no re hoe mihitsoka any Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Fitampoha Hotanterahina ny 6 jolay 2020 izao

03/07/2020

Raikitra fa tanterahina ao amin'ny Doany Miarinarivo efadahy Manankasina, ao amin’ny Fokontany Tsararano Ambony, Distrikan’i Mahajanga I, ny 6 jolay 2020 izao ny Fitampoha na fanompoam-be izay fomba amampanaon’ny foko Sakalava Boeny.

Fitampoha Hotanterahina ny 6 jolay 2020 izao

Hamaky ny tohiny...

Kianja Masoandro « Tsy misy asa miato izany ! », hoy ny minisitra

03/07/2020

« TSIA, tsy misy asan'ny Kianja Masoandro miato izany mihitsy e! », hoy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ny tambazotra sosialy facebook.

Kianja Masoandro « Tsy misy asa miato izany ! », hoy ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Misaona ny tontolon’ny zava-kanto Nodimandry tampoka i Bakomanga

03/07/2020

Nodimandry tampoka omaly alakamisy 2 jolay teo amin’ny faha-67 taonany Rasoarinala Mariette fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Bakomanga eo amin’ny tontolon'ny zava-kanto.

Misaona ny tontolon’ny zava-kanto Nodimandry tampoka i Bakomanga

Hamaky ny tohiny...


kolontsaina

Kianja Masoandro “Tandindon’ny fisaharaham-bazana”

02/06/2020

Nisy ny fandaharana tamina fahitalavitra tsy miankina iray nataon’ny Pr Raymond Ranjeva sy ny Jeneraly Ramakavelo izay samy ao anatin’ny Akademia Malagasy, ary ny Atoa Hery Rasaona mpitahiry vakoka,

 

 

 

 ka isan’ny noresahina betsaka ny raharaha Kianja masoandro na ny « colisée ». Nanazava ny Pr Raymond Ranjefa fa taona 2000 dia efa nisy tatitry ny komity momba ny fikarakarana ny famerenana amin’ny laoniny teny Anatirovo. Niainga tamin’ny fandinihana nataona manam-pahaizana maro lafy nataon’ny komitim-pirenena momba ny vakoka. Manana ny antontan-taratasy mikasika ny famerenana amin’ny laoniny ny rovan’Antananarivo, ary nomena ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny 15 febroary 2019 ny tatitry ny dingana efa vita, izay hotohizana. Herintaona taty aorian’ny nandraisan’ny Minisitra anay, dia io zavatra hita io no nitsangana. Tsy misy niresaka “coliseum” izany, fa ny hasin’Anatirova no noresahina, hoy izy. Miangavy ny hanajana ny fahamasinana sy ny hasina satria io no mampiray ny Malagasy. Ny mpanjanantany no nanova ny rafitra nentina nanotana fady. Rehefa tonga ny jeneraly Gallieni dia namindra ny taolambalo avy eny Ambohimanga nafindra teny amin’ny Rova, dia nafindra ny fitomiandalana, izay teo ny menalamba no nanasina. Tsy misy afatsy ny mpanjaka ihany no afaka nanao ny fanatsarana tao amin’ny Rova satria izy no mpiadidy. Ao anatin’ny faritra masina no misy ilay “colisée”, izay manazimbazimba ilay toerana. Ny vakoka dia natao hampiombona, hijanona ho an’ny tantara, ka ny hahafantaran’ny olona Filoha Rajoelina izany dia hoe nanangana zavatra mampisara-bazana ny Malagasy raha amin’izao fotoana izao. Vakoka hampisara-bazana ve izany no hapetraka eto sy havela eo? hoy izy. Nilaza kosa ny Jeneraly Ramakavelo, fa ny vakoka dia lova napetraky ny razana ka hifandimbiasan’ny taranaka mifandimby. Mitahiry ny maha vakoka azy. Izany “colisée” any Roma izany dia tena malaza eran-tany. Kianja fialam-bolin’ny mpitondra fanjakana Romanina io, ka anisany ny gladiateurs, ampiadiana ka tsy mijanona raha tsy misy maty. Famonoana ny kristianina nofatorana havela hoviravirain’ny liona. Tandindon’ny fandatsahan-drà izany, rah any heviny. Raha mbola apetraka amin’io toerana io, dia hisavorovoro foana ny Malagasy. Endriky ny savorovo, endriky ny fisaraham-bazana. Manda tanteraka 100% mihitsy aho amin’ny maha “amis du patrimoine”, hoy ny Jeneraly Ramakavelo. Ho an’Atoa Hery Rasaona kosa, dia raha Malagasy mahatsiaro tena fa notezaina tamin’ny foto-pisainana Malagasy, dia tsy mety ny manao zavatra mihoatra ny maha izy azy anao. Mariky ny fiombonam-pirenena io Rova io. Ny fanovana ny endriny, dia efa misy akony lehibe. Raha vao mikitika amin’ny kolontsaina sy ny endriny ivelany dia efa tsy mety.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana