Dans la mme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

 

 

 

Nilaza ireto olona mitondra ny covid-19 ireto fa mampijaly saina azy ireo ny zavatra iainany satria hatramin’ny nidirany teny dia Chloroquine 02 sy Azythromycine 02 maraina sy hariva no hany fanafody hanin'izy ireo. Tsy misy izany CVO ranony izany voarain'izy ireo hatramin'ny nidirany teny kanefa fanomezan-tsiny no omen'ny filoha azy ireo. Matahotra sy tsy mbola nanaiky ny hatao ilay andrana amin'ny tsindrona ihany koa amin'izao aloha raha tsy mazava tsara ny tsindrona atao, izay mbola manjavozavo amin'izy ireo ary tsy mbola tonga eny ihany koa izany hatreto. Tena olana be ihany koa ilay fanilikilihana mahazo ny fianakavin'izy ireo satria am-pahibemaso amin'ny fiara misoratra covid-19 no nakana azy ireo tany an-trano nandritra ny fotoana nahafantarana fa “positif”, hany ka hiaran'ny antsonjain'ny fiarahamonina ny fianakaviny sy vady aman-janany vokatr’izany, toy ny hoe volana covid-19 ka tsy raisin'ny mpivarotra ny vola amin'izy ireo hividianan-javatra.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana