Dans la mme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

 

 

 Samihafa ilay andrana nambaran’ny Filoha tany Toamasina sy ny covid-organics. Fomba fitsaboana na “protocole” miisa 3 no novolavolain’ireo komity siantifika, ka voalohany ny fampiarahana ny Hydroxychloroquine sy Azithromycine, faharoa ny CVO. Fitsaboana nentim-paharazana io, ka tsy hatao mihitsy ho endrika tsindrona. Ny fahatelo dia fanambarana fanafody 2 miendrika tsindrona izay tsy ny CVO mihitsy, ary tsy nilaza izany ny Filoha, hoy ny fanazavana. Tsy tambavy akory no hatsindrona fa kambam-pafanafody roa efa fantatra ary efa nahazo alalana na eto Madagasikara na any ivelany, hoy ny vaksiny. Tsy vaksiny na fanefitra ilay izy fa fanafody efa fantatra, ary ilay andrana rehefa voaporofo dia haparitaka maneran-tany, any amin’ireo firenena rahavavy any Afrika. Efa nandalo teo anivon’ny Akademiam-pirenena momba ny fitsaboana. Nambara fa ny ekipa rehetra ao anatin’ilay manao andrana dia manaraka ny fenitra ara-tsiantifika. Nahazo fankatoavana tamina komity siantifika io andrana io, ary tsy an-tery amin’ny maha andrana azy fa mila alalana amin’ny marary. Iaraha-miasa amina manam-pahaizana avy any Etazonia, Thailland,… ary ao anatin’ilay andrana tohanan’ny OMS na ilay antsoina hoe “solidarity trial”. Efa adihevitra goavana teto sy tany Afrika ny andrana vaksiny, ary maro ny fanehoan-kevitra tsy teto ihany fa hatrany Afrika no naneho fa tsy “cobaye” ny Afrikanina. I Eoropa no be maty indrindra ka nahoana no tsy atao any? Isan’ny naneho izany ireo mpilalao kitra malaza tahaka an-dry Didier Drogba sy ry Samuel Eto’o. Vao tsy ela no nifampiresaka tamin’ny Filoha ny Lehiben’ny OMS ary nanaiky ny hanaovana andrana ny CVO ka sao ity fanaovana andrana ara-baksiny ity no tambin’izany ?

 Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana