Dans la mme rubrique

Coronavirus Nasongadina ny sitrana, nodian-tsy hita ny maty

09/07/2020

Tena faly aho androany, tena faly ny fo ary misaotra an’Andriamanitra fa misy vaovao tsara hoentina amintsika satria tsy nisy ny aina nafoy,

Coronavirus Nasongadina ny sitrana, nodian-tsy hita ny maty

Hamaky ny tohiny...

Lapan’Anosikely Nanao fitiliana ireo Loholona sy ny mpiara-miasa

09/07/2020

Notanterahina omaly talata 08 jolay 2020 teo amin’ny Lapan’Anosikely ny fitiliana mahakasika ny valan’aretina Covid-19 ireo Loholona sy ny mpiara-miasa sasantsasany.

Lapan’Anosikely Nanao fitiliana ireo Loholona sy ny mpiara-miasa

Hamaky ny tohiny...

Depiote Rakotomalala Lucien Ofisialy fa coronavirus no nahafaty azy

09/07/2020

Efa nampiseho fahasarotana na “forme grave” ny depiote Lucien Rakotomalala no noraisina teny amin’ny Hopitaly Hopitaly Miaramila na ny HOMI

Depiote Rakotomalala Lucien Ofisialy fa coronavirus no nahafaty azy

Hamaky ny tohiny...

Frantsay iray lavon’ny Covid-19 Samia mailo, hoy ny Ambasadaoro Christophe Bouchard

09/07/2020

Tamin’ny fampitam-baovao nataony ny 7 jolay 2020, miantefa amin’ireo teratsay frantsay eto Madagasikara, no nanambaran’i Christophe Bouchard,

Frantsay iray lavon’ny Covid-19 Samia mailo, hoy ny Ambasadaoro Christophe Bouchard

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena “Aza salovanina ny asan’ny mpitsabo”

09/07/2020

Naneho ny fankasitrahany ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana manoloana ny famerenana ny fihibohana manomboka amin’ny 12 ora tolakandro eto Analamanga ny hetsiky ny fiarahamonim-pirenena Rohy omaly. Tsy hahomby anefa, hoy izy ireo,

Fiarahamonim-pirenena “Aza salovanina ny asan’ny mpitsabo”

Hamaky ny tohiny...

67 HA, Ambohimanarina, Alasora Maditra ny olona, mbola misy mandehandeha hariva ihany

09/07/2020

Nidina ifotony teny amin’iny faritra 67 ha Avaratra-Atsinanana, FTA, IVO, Antohomadinika Avaratra ary Ankasina ny

67 HA, Ambohimanarina, Alasora Maditra ny olona, mbola misy mandehandeha hariva ihany

Hamaky ny tohiny...

Village Voara Andohatapenaka Mitombo isan’andro ny olona manao fitiliana

09/07/2020

Tamin’ny 2 jolay dia 159 teo ny olona no tonga teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ka nisy ny tsisy soritraretina ary tao no nisy soritr’aretina ary nahitana olona tena nahiana mafy ny fahasalamany na « forme grave», hoy ny Dr Manitra Rakotoarivony.

Village Voara Andohatapenaka Mitombo isan’andro ny olona manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Antony maro no mahatonga izany toy ny tsy fanajana ireo toromarika omen’ny Fitondram-panjakana hahafahana miaro ny aretina tsy hiparitaka. Anisan’ireny ohatra ny tsy fivoahana ny trano raha tsy tena misy antony goavana, ny fampiasana aron-tava, ny fanajana ilay elanelana 1 metatra, ny fanasan-tanana amin’ny savony matetika….Ankoatra ireo sahirana ara-pivelomana anefa dia betsaka ihany koa ireo minia mikipy ka tsy vonon-kanaja ny fepetra napetraka mihitsy. Mba hahafahana mandrindra izany ary dia nidina any an-toerana ireo mpitarika ny "Etat-major mixte opérationnel national" (EMMO.NAT) izay ahitana ny kaomandin'ny zandarimariam-pirenena, ny tale Jeneralin'ny pôlisim-pirenena, ary ny Jeneraly solontenan'ny Filohan'ny Etamazaoron'ny Tafika malagasy (CEMA), omaly alatsinainy . Handrindra ny ady hatao amin’ny COVID 19 no anton-dian’izy ireo any an-toerana izay miisa 150 ka anisan’ireny ny fanaraha-maso ny fiainan’ny mponina hanampy ireo efa miasa any an-toerana. Nanamafy araka izany ny Jeneraly kaomandin'ny zandarimariam-pirenena (Leader Emmo.Nat) fa ho hentitra manomboka izao ny fepetra horaisina amin'ny fivezivezena sy fifampikasohan'ny mponina indrindra amin'ireo toerana mahavory olona sy any amin’ny lalam-pirenena. Hojerena ihany koa ny lalana rehetra mety hivoahan’ny olona mandritra izany toy ireo miondrana amin’ny lakana sy mandeha dia an-tongotra any anaty ala.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana