Dans la mme rubrique

Coronavirus Nasongadina ny sitrana, nodian-tsy hita ny maty

09/07/2020

Tena faly aho androany, tena faly ny fo ary misaotra an’Andriamanitra fa misy vaovao tsara hoentina amintsika satria tsy nisy ny aina nafoy,

Coronavirus Nasongadina ny sitrana, nodian-tsy hita ny maty

Hamaky ny tohiny...

Lapan’Anosikely Nanao fitiliana ireo Loholona sy ny mpiara-miasa

09/07/2020

Notanterahina omaly talata 08 jolay 2020 teo amin’ny Lapan’Anosikely ny fitiliana mahakasika ny valan’aretina Covid-19 ireo Loholona sy ny mpiara-miasa sasantsasany.

Lapan’Anosikely Nanao fitiliana ireo Loholona sy ny mpiara-miasa

Hamaky ny tohiny...

Depiote Rakotomalala Lucien Ofisialy fa coronavirus no nahafaty azy

09/07/2020

Efa nampiseho fahasarotana na “forme grave” ny depiote Lucien Rakotomalala no noraisina teny amin’ny Hopitaly Hopitaly Miaramila na ny HOMI

Depiote Rakotomalala Lucien Ofisialy fa coronavirus no nahafaty azy

Hamaky ny tohiny...

Frantsay iray lavon’ny Covid-19 Samia mailo, hoy ny Ambasadaoro Christophe Bouchard

09/07/2020

Tamin’ny fampitam-baovao nataony ny 7 jolay 2020, miantefa amin’ireo teratsay frantsay eto Madagasikara, no nanambaran’i Christophe Bouchard,

Frantsay iray lavon’ny Covid-19 Samia mailo, hoy ny Ambasadaoro Christophe Bouchard

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena “Aza salovanina ny asan’ny mpitsabo”

09/07/2020

Naneho ny fankasitrahany ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana manoloana ny famerenana ny fihibohana manomboka amin’ny 12 ora tolakandro eto Analamanga ny hetsiky ny fiarahamonim-pirenena Rohy omaly. Tsy hahomby anefa, hoy izy ireo,

Fiarahamonim-pirenena “Aza salovanina ny asan’ny mpitsabo”

Hamaky ny tohiny...

67 HA, Ambohimanarina, Alasora Maditra ny olona, mbola misy mandehandeha hariva ihany

09/07/2020

Nidina ifotony teny amin’iny faritra 67 ha Avaratra-Atsinanana, FTA, IVO, Antohomadinika Avaratra ary Ankasina ny

67 HA, Ambohimanarina, Alasora Maditra ny olona, mbola misy mandehandeha hariva ihany

Hamaky ny tohiny...

Village Voara Andohatapenaka Mitombo isan’andro ny olona manao fitiliana

09/07/2020

Tamin’ny 2 jolay dia 159 teo ny olona no tonga teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ka nisy ny tsisy soritraretina ary tao no nisy soritr’aretina ary nahitana olona tena nahiana mafy ny fahasalamany na « forme grave», hoy ny Dr Manitra Rakotoarivony.

Village Voara Andohatapenaka Mitombo isan’andro ny olona manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

 

 

 manoloana ny kihana nataon’ny OMS. 171 ny fitambaran’ny voa rehetra, ka 68 no mbola nanaraka fitsaboana ny 11 mey. Tapa-bolana katroka aty aoriana, dia tafiakatra 542 ny voa hatramin’ny omaly 25 mey, ary 145 ny sitrana. Niampy 371 be izao ny olona voa, ary 79 no sitrana tao anatin’ny tapa-bolana. Midika io fa kely ny sitrana ary mitombo be ny isan’ny voa. Tao anatin’ny herinandro farany dia ny alatsinainy 18 mey hatramin’ny omaly 25 mey dia nahatratra 238 ny tranga vaovao, izany hoe 30 isan’andro eo ny voa, raha hatao ny kajikajy, ary 5 isan’andro eo ny sitrana raha kajiana ny tapa-bolana. Mitombo isan’andro ny isan’ny voa, izay tena ambony mitaha amin’ny sitrana na efa manana ny tambavy CVO izay efa fitsaboana sady fisorohana isika. 7 na 8 andro eo fitsaboana amin’ny tambavy CVO, raha ny fanazavana teknika nentina tany aloha sy mbola nohamafisin’ny Minisitry ny serasera omaly, saingy vitsy aloha ny sitrana hatreto. Vao andro maromaro izay no niresaka tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny OMS, ary tapaka fa hatolotra hatao andrana na “essai technique” ny CVO sy ny kamba-panafody roa miendrika tsindrona. Andrasana ny mety ho tatitra mahakasika izay andrana izay, fa ny fitsaboana aloha tsy afa-miandry an’izay. Raha mahay mamaky ny antontan’isa ny fanjakana, dia mahay ny zavatra tokony hataony. Marina fa misy ny fepetra fa afaka manaraka izany antsakany sy andavany ve ny olona eo anatrehan’ny fahasahiranana? Mila tohizana sy hitarina ny tohana ara-tsosialy, mila hampitomboina ny fampitaovana, ny serasera,... Miandry fandraisan'andraikitra matotra sy mahomby kokoa avy amin'ny fitondram-panjakana ny olom-pirenena, raha ny resaka re etsy sy eroa.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana