Dans la mme rubrique

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

03/07/2020

Olona roa indray no namoy ny ainy nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay teto Madagasikara ho 24 hatreto.

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

Hamaky ny tohiny...

Mihaodihaody ny Covid19 Hikatona ny sampan-draharaha fanaovana « passeport » anio

03/07/2020

Hikatona ho an’ny besinimaro ny sampan-draharaha fanaovana « Passeport » ny zoma 03 jolay 2020 araka ny fampahafantarana nataon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka.

Mihaodihaody ny Covid19 Hikatona ny sampan-draharaha fanaovana « passeport » anio

Hamaky ny tohiny...

Dr Fidy Bariniaina “Tsy hihiboka mandrakizay isika, aleo miaro tena tsara”

03/07/2020

Vahaolana azo antoka indrindra amin’izao aretina COVID 19 izao, hoy ny Dr Fidy Bariniaina, ny tsy fivoahana ny trano.

Dr Fidy Bariniaina “Tsy hihiboka mandrakizay isika, aleo miaro tena tsara”

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonina Be loatra ny goragora ka miparitaka ny valanaretina

03/07/2020

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena noho ny fiparitahan` ny aretina “coronavirus”. Tsy voafehy ny fiparitahan` ny aretina noho ny goragora ateraky ny kolikoly. Vokany,

Fiarahamonina Be loatra ny goragora ka miparitaka ny valanaretina

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny coronavirus Mila fitoniana sy firaisankina

03/07/2020

Ny valanaretina Covid-19 izao no zava-dehibe, maika, tsy azo ihodivirana. Eran-tany ary tsy afa-miala amin` izany i Madagasikara. Manimba zavatra be lavitra sy sarotra noho ny aretina ny tsy fitandremana.

Ady amin` ny coronavirus Mila fitoniana sy firaisankina

Hamaky ny tohiny...

Afera Covid organics Voaheloka handoa 24 tapitrisa ireo voapanga

02/07/2020

Nahazo fahafahana avokoa ireo 11 mianadahy voarohirohy tamina famarotana CVO tao Bazary Be Toamasina. Efa nisy ny 4 naiditra am-ponja vonjimaika ny herinandro lasa teo. Sazy mihantona 3 volana,

Afera Covid organics Voaheloka handoa 24 tapitrisa ireo voapanga

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Omaly mantsy vao fantatra fa positif ilay lehilahy iray 45 taona monina ao ambany avaratra, herinandro mahery taty aoriana ny nanaovany test raha araka ny fanadihadiana natao. Tsy niandry ny fitondram-panjakana intsony araka izany ny mponina fa avy hatrany dia nandray ny andraikiny niaraka tamin’ny dokotera Rakitra izay niantoka ny fanafody rehetra namendrahana ny trano fonenany sy ny manodidina azy. Tsy nijanona teo fa namendraka ranom-panafody koa ny sekoly teny an-toerana rehefa nahazoana alalana avy tamin’ny Ben’ny tanàna. Toraka izany koa ny faritra rehetra nolalovany. Nihorohoro avokoa mantsy ny olona teo an-tanana, indrindra fa ireo efa nifampikasoka tamin’ity lehilahy ity. Vokatry ny fifampikasohana koa mantsy no nahazoany io aretina io raha araka ny fantatra. Nanaiky ny hanao test avokoa moa ny fianakavian’ny marary rehetra raha nalefa eny amin’ny hopitaly Fenoarivo kosa ilay lehilahy hanaraka fitsaboana. Marihina moa fa anisan’ny nampitaraina ireo mponina eny Alakamisy ny fahaelan’ny mpamaly ny antso ao amin’ny laharana maintso 913 rehefa nantsoina. Toraka izany koa ny fivalian’ny test izay ahiana hanaparitaka aretina amin’ireo olona mbola salama raha tara loatra tahaka izao.

Pati

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana