Dans la męme rubrique

Fihaonana teny amin'ny CCI Namantrapatratra ireo depiote

27/05/2020

Na ireo solombavambahoaka IRD aza dia tsy nitsitsy fitenenana manoloana ny tandrevaka amin'ny fiatrehana ny ady amin'ny Covid 19.

Fihaonana teny amin'ny CCI Namantrapatratra ireo depiote

Hamaky ny tohiny...

Hemerson Andrianetrazafy “Atsaharo ny fanandratana mpisoloky sy mpisalovana”

27/05/2020

Isan’ny matoam-baovao miteraka resabe hatramin’izao ity resaka lapan’i Manjakamiadana sy ny tontolony ity.

Hemerson Andrianetrazafy “Atsaharo ny fanandratana mpisoloky sy mpisalovana”

Hamaky ny tohiny...

Kaominina ambonivohitr’i Betafo Maro ny asa vita tao anatin’ny 3 volana

27/05/2020

Telo volana nitantanana ny tanànan’i Betafo ny Ben’ny tanàna Livasoa Randriatahinamalala.­

Kaominina ambonivohitr’i Betafo Maro ny asa vita tao anatin’ny 3 volana

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza “Tokony takiana hatramin` ny farany ny Iles Eparses”

27/05/2020

“Ny lalàna iraisam-pirenena, hita taratra tamin` ny fanapahana navoakan` ny Firenena Mikambana tamin` izany fotoana izany, tamin` ny alalan` ny “resolution”

Imbiki Herilaza “Tokony takiana hatramin` ny farany ny Iles Eparses”

Hamaky ny tohiny...

Rado Rafalimanana Ho atao lavanty ny fananany

26/05/2020

Nilatsaka omaly ny fampahafantarana na « affichage » fa ho atao lavanty ny 28 mey izao manomboka amin’ny 9 ora maraina ny fananan’ilay mpandraharaha, Ny Rado Rafalimanana.

Rado Rafalimanana Ho atao lavanty ny fananany

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Tandindomin-doza ny firenena »

26/05/2020

Fahiny talohan’ny nidiran’ny mpanjanaka teto Madagasikara dia ny mpanjaka no mpitazona sy tompon’ny Hasina, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary. Hasina izay azony avy amin’ny Zanahary sy ny Razana.

Paul Rabary « Tandindomin-doza ny firenena »

Hamaky ny tohiny...

Voambolana “masoandro” Tena mahasarika ny fitondrana

26/05/2020

Tanamasoandro, Kianjamasoandro, angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny hafa rehetra dia samy teny sy anarana nahenoana matetika ny voambolana hoe masoandro avokoa tao anatin’izao fitondrana izao.

Voambolana “masoandro” Tena mahasarika ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antenimieram-pirenena Tsy azo ekena ny fibodoan'ny Frantsay ny Iles Eparses

22/05/2020

Nanao fanambarana teny amin'ny CCI Ivato ny antenimieram-pirenena fa tsy azo ekena ny fihetsiky ny fanjakana Frantsay.

 

 

 

Tsy azo ekena ny vinan` ny governemanta frantsay hanao ny Nosy Glorieuses ho tahirin-javaboaharim-pirenena. Mitsipaka marindrano ny fibodoana ireo nosy manodidina ny antenimieram-pirenen'ny repoblikan'i Madagasikara. Raha tsiahivina, ny alatsinainy 18 may teo, dia nanao fanambarana ny ministeran` ny raharaham-bahiny fa manohitra io vinavinan’ny Fanjakana frantsay io. Miendrika jadona sy tsy fanajana ny fifampiresahana misy eo amin’ny Fanjakana roa tonta mikasika ireo Nosy izany vinavina izany. Nanamafy izany ihany koa ireo solombavambahoaka. « Heverin` ny solombavambahoaka fa ny fanambarana izay nataon` ny fitondrana frantsay mikasika ny “Glorieuses” dia miendrika fihantsiana ary mifanohitra tanteraka amin` ny fehin-kevitra 34/91 et 35/123 noraisin` ny fivoriamben` ny Firenena Mikambana ». Mangataka ny fanelanelan` ireo vondrom-paritra toy ny SADC sy ny Firaisambe Afrikanina amin` ny maha faritra mbola voazanaka ireo nosy takian` i Madagasikara ireo no sady nosy afrikanina rahateo ireto solombavambahoaka ireto. Miantso ny ankolafy frantsay hanao ho zava-dehibe ny fifampiresahana hahafahana mitady vahaolana amin` izao disadisa misy eo amin` I Madagasikara sy Frantsa Izao ireo solombavambahoaka. Ho an` Rtoa Chrisitine Razanamahasoa, filohan` ny Antenimieram-pirenena (PAN), izao fanambarana ataon` ny depiote izao dia antso ho an` ny governemanta. Tsy mbola misy daty mazava aloha hatreto ny  fifampidinihana faharoa voatondro fa tokony hatao any Frantsa.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana